Tandahatra kodiaran-droa maromaro, mirifadrifatra, mifanenjika, miolakolana no saika tazana amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, indrindra fa ny miala avy eo Talata Volonondry hihazo ny renivohitra. Ny ankabezan’ireo mpitondra dia na varimbarin’ny zava-mahadomelina sy ny toaka na karazan’irony olona vao miala sakana tsy mahafantatra ankoatry ny tenany anaty lalam-pirenena irony : ao ireo miezaka mafy ny hisongona ny eo anoloany kanefa tsy afaka amin’izay akory ny môtô entiny, ao ireo mitrifana toy ny adala misongona fiara, moto, eny fa na hatrany anaty fiolanana mampidi-doza aza, ny hafa indray mihevitra azy ireo fa eny ambony “piste” fanaovana “course”, miolakolana no sady mandeha mafy. Heverina anefa fa izy rehetra dia mety samy tsy misy mahay lalàna avokoa hany ka tsy atao mahagaga intsony ny fisiana lozam-pifamoivoizana rehefa alahady hariva amin’iny lalana iny. Tsy ela akory fa vao ny faran’ny herinandro teo, tetsy Soavinimerina, lalana iray isan’ny mampidi-doza tanteraka tamin’iny lalana iny noho izy io somary mahitsy kanefa misy fiolanana tampoka. Kodiaran-droa iray no indroa nanao lozam-pifamoivoizana noho ny mpitondra azy ity mamo, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso. Efa nianjera teny ambonin’ny ny moto nentiny ireo mpitondra azy saingy mbola voarina sy nandeha ihany ilay fitaovana. Mbola nandeha mafy ihany anefa nony avy eo ary nikasa hisongona fiara iray teo alohany, tao anaty fiolanana no nifanehatra tamin’ny fiara lehibe, nifanena tamin’izy ireo. Soa ihany, hiy hatrany ireo teny an-toerana fa nahay niala ilay mpamily rehefa nahatazana ity moto ity fa raha tsy izany dia maty tsy tra-drano ireo mpitondra moto. Na izany aza anefa voakasoky ny sisiny havian’ilay fiara ihany ilay moto ary nipitika niaraka tamin’ny mpitondra azy. Naratra mafy moa ity farany ary voatery nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tetsy andanin’izay simba tanteraka kosa ilay moto nentiny. Ekena tokoa fa andro fialan-tsasatra no sady mba fivoaboahan’ny mpianakavy na ny mpinamana ny faran’ny herinandro. Saingy raha hivoaka hamoa-doza, aleo mipetraka tsara any an-trano ihany. Amin’izay, tsy maratra ny aina, tsy simba ny fananana no tsy mampiditra olana ho an’olon-kafa.
m.L