- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Trano lehibe nirehitra, olona iray maty may kila

Mahamasina : Trano lehibe nirehitra, olona iray maty may kila

Fanintelony tamin’ny haintrano nitranga teto an-drenivohitra omaly ny teny Mahamasina. Ary izy no goavana sy namoizana ain’olona ankoatra ny fananana levon’ny afo. Lehilahy iray manodidina ny 52 taona tokoa mantsy no tavela sy voafandrika tao anaty afo, ary namoy ny ainy, nandritra ny firehetan’ny trano lehibe iray tetsy Mahamasina, tsy dia lavitra loatra ny vavahadin’ny hopitaly Befelatanana, omaly antoandro. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany no nanomboka nahitana setroka nijolofotra sy lelafo nivoaka tamin’ny varavaran-kelin’ny efitranon’ny rihana voalohany. Nanao izay azony natao ireo teo amin’ny manodidina araka izany tamin’ny fanondrahana rano. Voalaza ihany koa fa tsy nisy olona tao an-trano tamin’io fotoana io. Saingy minitra fohy taorian’izay no nisy zavatra nipoaka mafy, izay vao mainka nampitatra haingana ny afo nihazo ny ambony rihana. Ny mpamonjy voina araka ny nambaran’ny lehiben’izy ireo dia tamin’ny 11 ora sy fahefany vao nahazo antso ary nanao izay nahatongavana haingana teny an-toerana. “Efa tonga teny amin’ny tafo ny afo tamin’ny fahatongavan’ny fiara voalohany teny”, hoy ny fanazavana. Naharitra adiny roa teo ho eo moa ho an’ireo fiarabe maromaron’ny mpamonjy voina no namonoana izany afo izany ary nifehezana tanteraka ny firehetana, tsy hitatra amin’ireo trano hafa manodidina. “Tamin’ny antso azonay dia voalaza fa tsy nisy olona intsony tao amin’ilay toerana, kanefa rehefa nitety ireo efitra maromaro, izay may kila ireo miaramilan’afo dia nahatsikaritra vatana, efa tsy nisy azo namantarana azy intsony, may kilan’ny afo”, araky ny fanazavana nentin’ny Lehiben’ny mpamonjy voina hatrany. Fianakavian’ireo niharam-boina ihany moa ity farany raha ny angom-baovao azo hatrany. Marihana fa tsy mbola fantatra hatreto ny antony nahatonga ny loza. Siosion-dresaka teny an-toerana ny mety hoe “court-circuit”, izay nampian’ny fipoahan’ny tavoangin’ny etona fandrehitra tao an-trano. Tazana tonga teny an-toerana, ankoatra ny mpamonjy voina, moa ny avy eo anivon’ny Jirama sy ny mpitandro filaminana, niandraikitra ny fanadihadiana. Fantatra fa ankoatra ity hain-trano tetsy Mahamasina omaly ity, dia efa nandeha namonjy trano may teny amin’iny faritra Soamandrakizay iny sy teny Ambanin’Ampamarinana ireo mpamonjy voina, raha ny nambaran’ny Lieutenant-colonel Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny mpamonjy voina Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny tetsy Soamandrakizay dia trano lehibe fitoeran’entana no nirehitra ary fiara enina no may tsy nisy azo noraisina intsony tao anatiny. Tsy dia nisy zavatra simba kosa ny teny Ambanin’Ampamarinana. Vao niantomboka mantsy ny afo dia voaantso mialoha ny mpamonjy voina. Tsy lavitra teo ihany koa no nisy ireo miaramilan’afo nanantanteraka fanadiovana. Nambaran’ity manamboninahitra ity hatrany fa fotoanan’ny haintrano ny volana jolay sy aogositra. Efa mivonona tanteraka amin’izany ny eo anivon’ny mpamonjy voina, na amin’ny fitaovana na amin’ny olombelona. Na izany aza, miantso ny tsirairay mba ho mailo sy hitandrina hatrany amin’ireo zavatra mety hahatonga famaizana izy ireo, fa indrindra hanao izay hampandrenesana faran’izay aloha indrindra ireo mpamonjy voina, raha vao misy tranga tahaka itony.

m. L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici