- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Rongony 75 kilao saron'ny polisy

Maevatanana : Rongony 75 kilao saron’ny polisy

Notanterahina omaly tao Ambalaranokely, Maevatanana, ny fandorana ireo rongony milanja 75 kilao teo ho eo, izay saron’ny teo anivon’ny polisim-pirenena ny volana aprily lasa teo. Fanapotehana natrehin’ireo tomponandraiki-panjakana maromaro tany an-toerana. Marihina fa rongony saika haparitaka teo Maevatanana mihitsy ireo no tra-tehaka. Hatreto dia tsy mbola fantatra ny tompon’ny entana, raha ny vaovao azo, ary mbola mitohy ny fanadihadiana hikarohana ireo olon-dratsy. Tsiahivina fa tamin’io andron’ny 10 aprily io, izay mbola tao anatin’ny fihidin’ny lalana mianavaratra iny, no nisy fiara mpitatitra entana tonga nametraka ireo gony maromaro teo an-tampon-tananan’i Maevatanana. Andro alina izy io ary nanaitra ihany ireo andrimasom-pokonolona tany an-toerana. Vaky nandositra teo moa ilay fiara sy ireo mpitatitra ireo entana rehefa nanatona ireto farany. Fihetsika nampiahiahy ihany izay nitondra tamin’ny fisavana ireo gony maromaro. Tamin’izay fotoana izay moa no nahafantarana fa rongony maina am-polony kilao ireto entana tamin’ny gony. Nampandrenesina teo ny polisy ary nogiazana avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici