
Mahavariana sy mampitahotra indraindray ny fiparitahan’ity karazana rongony mahery vaika ity eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Nambaran’ny teo anivon’ireo tompon’andraikitra miady amin’ny zava-mahadomelina mantsy fa tsy mijanona ho an’ireo olona manan-katao intsony, toy ny fiheverena taloha, ny tanjon’ireo mpanamparitaka izany fa efa misafidiy ny sarambabem-bahoaka mihitsy ireo olon-dratsy. Porofon’izany dia saika ahitàna ireo mpivarotra heroïne amin’ireo toerana, izay tsy ampoizina velively hisy an’izany. Raha tsy hiteny afa-tsy tetsy La Reuniona kely isika, dia nambaran’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ihany koa fa efa hamidy eny an’elakela-trano izany teny amin’iny faritra Antohomadinika iny. Tamin’ity tranga indray mandeha ity, dia mbola tsy ampoizina hatrany fa vehivavy, no mivarotra izany. Roa moa izy ireo no voasambotra vao tsy ela akory izay, rehefa nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo pôlisy tsy manao fanamiana mihaodihaody sy misafo ireny elakela-trano ireny.
Mazava ho azy, tsy maintsy misy mpamatsy sy mpivarotra ambongadiny ireny rongony mahery vaika ireny matoa miparitaka be tahak’izao. Efa nisy moa ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ka nahatratrarana sy naharavàna tambazotra iray mihitsy, izay mpamatsy ireo rongony mahery vaika, toy ny heroina sy cocaine teto amintsika. Marihana fa nisy tamin’izy ireny ny tompon’andraikitra ambony amin’ny sehatra isan-karazany. Tsy nijanona tamin’izay anefa ny ezaka, hoy ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa tsy maintsy mbola tohizana. Ankoatra azy ireny mantsy dia voalaza fa mbola nisy lehilahy roa tratra, mpibizina rongony mahery vaika hatrany, tamin’iny herinandro lasa iny ary efa fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Hirarian’ny rehetra mba tena hahomby tokoa ity ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana ity. Tsy hijanona intsony eo amin’ireo mpisehatra madinika sy mpibizina kely aty ambanimbany ny fisamborana sy ny fanadihadiana fa mba hipaka hatrany amin’ireo antsoina hoe « trondro vaventy », izay fantatra fa manangom-bola sy harena eo ambonin’izany.
m.L