- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana miaramila : Hanomboka ny volana aogositra ho avy izao

Fitsarana miaramila : Hanomboka ny volana aogositra ho avy izao

Manomboka ny voalohandohan’ny volana aogositra ho avy izao ny fanantanterahana ny Fitsarana miaramila, raha ny eto an-drenivohitra, ary haharitra iray volana izany. Hanaraka azy aorian’izay kosa ny any amin’ny faritra, izany hoe manomboka ny volana septambra ho avy izao. Ireo no fantatra nandritry ny fanokafakana tamin’ny fomba ofisialy ny Fitsarana miaramila amin’ity taona ity, tetsy amin’ny Cemes Soanierana. Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany moa ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, natrehan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika, sivily sy miaramila. Nandritra ity fanokafana ity no navoitra ny maha-zava-dehibe ny fitsaran miaramila, ary nisy ny famelabelarana mahakasika izany nataon’ny Talen’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry ny Jly Rasolonirina Roger. Tetsy andanin’izay dia nanamafy ny Ministry ny Fiarovam-pirenena fa adidy ho an’ny Tanindrazana izany fitsarana miaramila izany ka miantso ireo zatovolahy sy zatovovavy 19 ka hatramin’31 taona mba hanefa izay zara-adidin’izy ireo izay. Tetsy andanin’izay moa dia nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpiasa mendrika eo anivon’ny Fitaleavan’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry. Marihana fa mba hialana amin’ireo lesoka hita tamin’ny taon-dasa dia nanova paik’ady ireo tompon’andraikitra, hanatsarana izany amin ‘ity taona ity. Nambara tamin’izany moa fa tsy maintsy hampitoviana avokoa ny fomba fiasa hanatanterahana izany isan-paritra. Efa milamina ihany koa ny mahakasika ny karatra maitso satria dia efa misy 400.000 isa vonona amin’izany.

m. L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici