Roalahy, izay fanta-daza ratsy amin’ny resaka fisolokiana avo lenta no voasambotry ny pôlisy misahana ny fikarohana ny fandikan-dalàna ara-toerana sy ara-bola, teny amin’iny faritra Ambohijatovo sy Andavamamba iny ny alarobia lasa teo. Ireo mpivarotra ambongady kojakoja fanamboarana trano no tena ataon’ireto olon-dratsy lasibatra ary mitontaly an-jatony tapitrisa ariary no fatiantok’izy ireo.
Araka ny fampitam-baovao nomen’ny polisy dia efa maromaro ireo fitoriana napetrak’ireo tranom-barotra efa lasibatra mahakasika azy roalahy ireto. Saika mitovy foana mantsy ny paikady entin’izy ireo manao ny asa ratsiny, raha ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitry filaminana. Maka fon’ilay mpivarotra ho mpanjifa mahatoky izy ireo ary nony farany dia mivadika amin’izay amin’ny fampiasana taratasim-bola tsy misy antom-bola akory. Hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy : « manatona ireny orin’asa mpambongady kojakoja fanamboarana trano (ciment sy fer) ireny izy roa lahy ireto ary mividy entana, alohan’izy ireo tsara ny vola amin’ny voalohany fa rehefa manomboka mipetraka ny fahatokisan’ilay mpivarotra dia maka entana aman-jatony tapitrisa amin’izay izy ireo. Aterin’ny mpivarotra eny amin’ny toerana misy azy ireo mihitsy ny entana rehefa voavidy. Rehefa tonga ao ireo entana ireo dia iny alina iny ihany izy ireo no mamindra azy amin’ny toerana hafa. Taratasim-mbola tsy misy antom-bola no ampetrak’izy ireo any amin’ireo mpivarotra ary rehefa tonga haka ny vola izy ireo dia hita fa tsy misy antom-bola ilay taratasim-bola. Antsoina amin’ny finday ireo olon-dratsy fa efa maty tsy tratra antso intsony. Ilay toerana nanaterana ny entana ihany koa efa tsy misy inoninona intsony fa efa foana ». Mazava ho azy, any dia tsy hita intsony ary manjavona tanteraka izy ireto. Miova lasy sy tranombarotra indray ary torak’izany foana. Manodidina ny mpamongady miisa valo teo no efa lasibatr’izy ireo, raha ny fantatra hatrany ary samy efa mitady fatratra ireto mpisoloky ireto. Nandray an-tanana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana niantefan’ny fitoriana ka taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy ireto dia tsikaritra teny Ambohijatovo teny ny iray ary teny amin’ny Cenam Andavamamba kosa ny namany. Napetraka avy hatrany ny velam-pandrika hisamborana azy ireto, ka tsy afa-bela teo ry zalahy, ny alarobia lasa teo. Natolotra teny anivon’ny fampanoavana omaly moa ireto mpisoloky ireto, raha ny vaovao hatrany.
m.L