- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Anjozorobe : Notapahana ny lohany sy ny tanany ary...

Vono olona tao Anjozorobe : Notapahana ny lohany sy ny tanany ary nalaina ny môtô-ny

Lehilahy efa tsy hita nandritry ny tapa-bolana teo ho eo no hita faty tany amin’iny distrika Anjozorobe iny, ny alahady lasa teo. Tapaka tarangana niala tamin’ny vatany ny lohany, torak’izany ihany koa ny felan-tanany, araka ny hitan’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana.

Habibiana tanteraka. Vatana mangatsiakana lehilahy iray manodidina ny efapolo taona tany ho any no hitan’ny fokonolona, nototofana ravin-kinina, teo amin’ny toerana antsoina hoe vodin’i Morandreo, lalana mihazo ny kaominina Andranomisa any amin’iny distrika Anjozorobe iny. Efa simba tanteraka ny razana tamin’ny nahitan’ireo mpaka kitay azy, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nantsoina teo no ho eo avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra, izay tonga teny an-toerana, notarihan’ny Ben’ny tanana sy ireo mpitsabo ary ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tamin’ny fizahana natao voalohany tamin’ny razana no nahitàna fa vono olona ankitsarano no nitranga. Vatana, izay manomboka ho simba, efa tsy nisy loha intsony mantsy no hita teo. Rotika  nohanin’ny alika ny sandriny, tapaka tarangana ihany koa ny felan-tanany. Ny lohany, izay rehefa nozahana, dia efa nipitika lavitry ny vatany efa karan-doha sisa. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny tanana dia azo heverina fa tsy teo amin’io toerana io no nahafatesany fa ankevitry ny natsipy teo ihany ity lehilahy ity, rehefa avy novonoina tany ho any. Tsy nisy rà mantsy teo amin’ny faritra manodidina ary rovidrovitra ny akanjony, toy ny hoe notaritaritina.

Tsy hita tapa-bolana. Ny fampitam-baovao azo hatrany no nahafantarana fa lehilahy monina any amin’ny tanana antsoina hoe Betenina, kaominina Ambakireny, distrika Tsaratanana izy io ary efa tsy hita nanomboka ny alatsinainy 05 jolay lasa teo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nilaza ny haka ny vadiny tamin’ny moto, tany amin’ny kaominina Marotsipoy, distrika Anjozorobe, izay marihana fa tanana mifanila ihany. Tsy tonga velively tany amin’ny toerana tokony handehanany anefa izy. Nampilaza avy hatrany ireo mpitandro filaminana ny fianakaviana ary nanomboka teo ny fikarohana azy, nataon’ny fianakaviana sy ny fokonolona. Nandritra izany no voalaza fa nandeha ny feo fa efa maty ity lehilahy ity ary nisy nahita tsy lavitry ny tanan’i Marotsipoy. Rehefa nandeha anefa ny savahao, hoy hatrany ny loharanom-baovao dia tsy nisy izany velively teo amin’ilay toerana voalaza. Tsy nitsahatra ny nikarohana ity lehilahy sy ny moto nentina moa ireo fianakaviana kanefa dia herim-po very maina izany. Ny marain’ny alahady, tokony ho tamin’ny folo ora tany ho any anefa no nisy nampilaza ny ben’ny tananan’Andranomisa, fa faty olona hita tamin’ny lalana mihazo ny tanana. Fantatra teo, rehefa nampanantsoina ny fianakaviana fa tena io tokoa ilay olona tsy hita. Marihana fa tsy hita teo kosa ilay môtô nentiny tamin’iny andro nialàny tany amin’ny tanany. Fanakanan-dalana niharo vono olona sy halatra môtô sa lonilonim-piaraha-monina ? Efa eny an-pelan-tanan’ireo mpanao fanadihadiana moa ny raharaha amin’izao ary efa mandeha ny famotorana rehetra.

Nilaza moa ny Ben’ny tananan’Andranomisa, Atoa Aina Nirina Randriamizakaharisoa fa « tsy azo ekena velively ny toe-javatra tahak’izao ary tsy maintsy ho hita ny marina rehetra mba ho tsy ho very maina ny rà latsaka ». Ny razana dia efa nomena ireo fianakaviana taorian’ny fitsirihana rehetra natao. Nandray an-tanana mavitrika tamin’ny fikarakarana sy ny fampaherezana ireo fianakaviana manamanjo ny tompon’andraikitry ny tanana sy ireo fokonolona teo amin’ny toerana nahitàna ny razana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici