- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lany ho filohan'ny ben'ny tanana eto Vakinankaratra I Dr Unoh

Antsirabe : Lany ho filohan’ny ben’ny tanana eto Vakinankaratra I Dr Unoh

Tao anatin’ny erin-taona sy enim-bolana dia sambany no nisy fihaonam-be nataon’ireo ben’ny tanana rehetra eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny datin’ny 15 Jolay lasa teo no tanteraka izany tao amin’ny Cfama. Notanterahana nandritra io fihaonam-be io ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eto Vakinankaratra. Roa ny mpifanandrina dia  Rtoa ben’ny tananan’Antanifotsy Lova Rajaona  sy ben’ny tanan’Antsirabe ambonivohitra Dr Unoh na i Rasamimanana Honoré Gabriel. Ity farany no nametrahan’ny be sy ny maro fitokisana ka lany ho filoha hitantana ny fikamban’ny ben’ny tanana eto Vakinankaratra.

Tsy ho vita samy irery ny fampandrosoana hoy ny Dr Unoh ambeti-teniny foana ny  hoe ilaina ny fandraisana andraikitra. Tsy vao sambany aho hoy izy no lany filoha tahaka izao fa efa faha 15  izao ity. Hitondra rivo-baovao eo amin’ny fifandraisan’ny samy ben’ny tanana ny tenako hoy izy, maro ny olana sedrain’ny ben’ny na eny ambanivohitra na andrenivohitra indrindra eo amin’ny fitantanana ka hitondra vahaolana amin’izany ny tenany.  Araky ny fanazavana moa dia ireo filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eny anivon’ny distrika 7 eto Vakinankaratra dia filoha lefitra avokoa.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici