Noho ny fanendrena vaovao azon’ny Tompon’andraikitra momba ny Fiarovana ao amin’ny Masoivoho Sinoa teto Madagasikara, ny Kolonely Wang Tao dia tonga nitsidika ny lehiben’ny Etamazaoro Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin ny tenany androany 21 jolay 2021 teny amin’ny toeram-piasany teny Andohalo. Natao izao ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Noresahina nandritra ity fihaonana ity araka izany endrika entina hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana. Nandritra izany ihany koa no nifampiresahana mahakasika ny fanofanana ara-miaramila sy ny fampitaovana. Nanditra ny fandraisam-pitenenan’ny Tompon’andraikitra momba ny Fiarovana ao amin’ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara no nilazany fa efa nianatra tany Sina nandritra ny heritaona ny Lehiben’ny Etamazaoro Tafika ka nanamora ny fifandraisana. Marihana fa efa ela no tsy nisy Tompon’andraikitry ny Fiarovan’ny Masoivoho Sinoa teto Madagasikara ka izany indrindra no nahatonga izao fitsidihana izao. Azo lazaina fa mivelatra amin’ny firenena maro ny Tafika mba ho tombotsoan’ny firenena Malagasy. Nisaotra sy nankasitraka ity tompon’andraikitry ny Fiarovana ity ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ary manantena fiaraha-miasa hatrany. Nofaranana tamin’ny fifanolorana fanomezana ho mari-pahatsiarovana teo amin’ny roa tonta moa izao fihaonana izao.
T.M.