Nisy nahazo naka ireto mpanosika môtô roalahy ireto, ary naparitaka avy hatrany tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy Facebook, izay voalaza fa sao mba « mpangalatra môtô ». Saika nisy hamono. Imason’ny firongatry ny halatra môtô, izay nihanahazo vahana tato ho ato izay dia vetivety dia niparitaka ilay sary. Ny loza dia nisy nahatsikaritra tokoa ireo mpanosika môtô ary avy hatrany dia niharan’ny antsonjay ary zary saika niafara tamin’ny daroka sy vono mihitsy. Zavatra tsy nampoizin’izy ireo akory. Saika ratsy fiafara izay tranga izay raha tsy nisy ny filazan’izy ireto fa simba ny môtô-ny ary handeha hitady mpanamboatra izy ireo, antony nanosehany ilay kodiaran-droa. Tambajotra sosialy. Toe-javatra izay mety hitranga amin’ny olon-drehetra tokoa satria, izay olona manosika môtô dia mety hisy haka sary an-tsokosoko avokoa, hiparitaka anaty tambajotra sosialy sy voendrikendrika ho mpangalatra môtô avokoa. Mazava ho azy ireo rehetra nahita ny sary dia tsy maintsy hanameloka alohan’ny Fitsarana avokoa, eny fa na dia tsy mahafantatra akory ny tena ny zava-misy aza. Tsy maintsy ho voatohintohina manarak’izay ny zo aman-kasin’ilay na ireo olona azo sary ary ny tena zava-doza dia mety hiafara amin’izay famonoana sy fitsaram-bahoaka izay, toy ny saika nahazo ireto roalahy ireto. Voarara. Mety ho paikady iray ahafahana misoroka izay halatra môtô izay tokoa ity fandefasana sarin’olona manosika môtô eny rehetra eny anaty tambajotra sosialy, saingy betsaka ireo lalàna tsy voahaja ao anatin’izay. « Tena manan-jo hitory ilay olona lasibatra (azo sary) noho izay zavatra izay », araka ny fanazavana nomen’ny Talen’ny antokon-draharaha miady amin’ny « cybercriminalité », eo anivon’ny Ministeran’ny serasera, ny Kly Herilalatiana Andrianarisaona. « Mazava hoy izy ny voalazan’ny fehezan-dalàna 2014-006 mamaritra ireo heloka mahakasika ny cybercriminalité, fa tsy azo atao velively ny mandefa na manaparitaka sarin’olona, tsy nahazoana alalana avy aminy, ary mety na entina hanafintohina ny fiainany manokana sy zo aman-kasiny ». Manampy izay ihany koa ny voalaza ao amin’ny fehezan-dalàna 2020-006 izay mamaritra sy mifehy ny fandefasana sary ho hitan’ny rehetra ary etsy andanin’izay ny voarakitry ny fehezan-dalàna famaizana, izay mamaritra ny tsy mahameloka ny olona iray raha tsy misy fitsarana. Ny hany azo atao angaha, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ambony ity dia, raha te hiara-hiasa hisoroka izay halatra moto izay dia ny maka sary, raha olona ahiahiana, ary mampilaza avy hatrany sy mametraka izany eny anivon’ny mpitandro filaminana. Anjaran’izy ireo amin’izay ny manokatra fanadihadiana sy famotorana raha misy fitarainana azon’izy ireo.
- M.L