Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana BEPC teto Toamasina na tao anatin’ny oram-be sy ny hatsiaka aza ny fanombohana ny alatsinainy teo. Maro ireo tsy tonga nihatrika izany izay nahatratra 308 izy ireo, ka araka ny fanadidiana natao dia ny fihibohana natao farany teo ireny sy vokatry ny valanaretina covid-19 dia betsaka ireo niala an-daharana tsy nanohy intsony ny fianarany. Nisy19.164 ny mpiadina manerana ny DREN Atsinanana raha 6.361 izany ho an’ny Cisco Toamasina I izay niparitaka tamin’ny toeram-panadinana 14. Tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany ny alatsinainy teo. Araka ny fanazavana dia mpiadina 11 taona ny zandriny indrindra raha 40 taona no zokiny indrindra tamin’ity fanadinana Bepc 2021 ity teo anivon’ny DREN Atsinanana. Tsy nanakana ny fanohizana ny fanadinana ny fepetra noraisin’ny fanjakana tsy mampiasa ny mpiasa Malagasy nefa andraisan-karama ny talata teo, fa nitohy hatrany ny fanadinana natao. Ny alakamisy izao no mifarana ny fanadinana ho an’ny sokajy A mbola manao ny taranja teny vahiny, fa ny alarobia kosa izany ho an’ny sokajy B izay tsy manao izany taranja teny vahiny izany. Raha ny fanazavana ny sabotsy izao no hanomboka ny fitsarana ny fanadinana raha tonga avokoa ireo taratasim-panadinana avy any amin’ny distrika maro mandrafitra ny DREN, satria eto Toamasina avokoa no hitsarana izany araka ny fandaminana hatramin’izay. Heverina fa any amin’ny faran’ny volana any no hivoaka ny valin’izany fanadinana izany hoy ireo tomponandraikitra misahana izany eto Toamasina.
Malala Didier