- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha “ambalavelona” Andapa : Roa no maty, am-polony maro naratra mafy, sivily...

Raharaha “ambalavelona” Andapa : Roa no maty, am-polony maro naratra mafy, sivily sy mpitandro filaminana

Ankoatra ireo namoy ny ainy sy ny naratra dia maro be ihany koa ireo zavatra simba omaly, nandritra ny fifandonana teo amin’ireo andian’olona voan’ny ambalavelona nampian’ny fokonolona ankilany sy ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo, andanin. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no niantomboka ny sakoroka tao amin’ny kaominina Ambodidivaina, distrikan’Andapa. Raha ny fantatra dia nidina an-tsehatra ireo mpitandro filaminana taorin’ny antso avo nataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mahakasika ny fihetsika hafahafa ataon’ireo andian-tanora ipetrahan’ny ambalavelona, na “njarinintsy”, amin’ireo tanàna maromaro any an-toerana. Fa indrindra moa rehefa tonga teny an-tsofin’izy ireo fa nisy olona namoy ny ainy tao anatin’izay fihetsika izay. Nidina avy hatrany tany amin’io tanàna voalaza etsy ambony io ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo. Saingy niafara tamin’ny tora-bato avy amin’iretsy andian-tanora voan’ny ambalavelona ny fifandaminana, raha ny voalaza. Nanampy azy ireo rahateo ihany koa, raha ny vaovao azo hatrany, ireo fokonolona, hany ka tsy nifankahitana ny tora-bato niantefa tamin’ireo mpitandro filaminana. Maro tamin’ireto farany araka izany no naratra mafy voan’ny toraka. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany izy ireo ary nitifitra. Tanora roa, vavy sy lahy, no niantefan’izany. Maty tsy tra-drano ny iray, raha tany amin’ny hopitaly kosa ny iray, araka ny vaovao avy nampitaina avy an-toerana hatrany. Izany toe-javatra izany no vao mainka nampihenjan-droa ny tady sy nanamafy ny korontana. Variraraka ny tora-bato sy ny fanimban-javatra, nitatata kosa ny basy tetsy ankilany. Nilamina ihany izany tany ho any amin’ny tolakandro tany ho any. Nisy maromaro tamin’ireo mpitarika ny fikomiana sy mpanararaotra no voasambotra tamin’io fotoana io ihany. Nisy maromaro ireo naratra tamin’ireo sivily, raha 11 no voa taty aminay, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andapa, azo an-tariby omaly, mbola anatin’ny fahasahiranana tanteraka eny an-kianja. Raha ny omaly hariva dia azo lazaina fa efa milamindamina ny toe-draharaha any an-toerana. Ireo voasambotra kosa nentina avy hatrany nihazo ny birao hanaovana fanadihadiana. Andrasana araka izany ny mety ho tohiny sy ny fizotry ny raharaha any an-toerana.

m. L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici