- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena Toamasina : Jiolahy mpanao fanafihana, maty ny telo, voasambotra ny roa

Polisim-pirenena Toamasina : Jiolahy mpanao fanafihana, maty ny telo, voasambotra ny roa

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana indray teto Toamasina ny antoandron’ny omaly tokony ho tamin’ny mitatao vovonana. Raha ny fanazavana dia mpandraharaha iray avy naka vola “300 tapitrisa ariary” avy tamin’ny banky iray teto Toamasina, teny amin’ny Boulevard Augagneur, no notafihan’ireo andian-jiolahy nitondra basy mahery vaika ireto. Tao anatin’izay anefa dia voatifitry ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisim-pirenena ny telo tamin’ireo jiolahy, raha voasambotra kosa ny roa tamin’izy ireo nandritra ny fifanenjehana.

Araka ny fanazavana voaray dia efa ny alarobia teo no narahan’ireto jiolahy ity mpandraharaha ity, saingy tsy azony ny vola nalainy ny alarobia io ka nahemotra ny alakamisy teo ny fakana izany, ka izao niafara tamin’ny fanafihana jiolahy izao. Niisa sivy ireto jiolahy no nanaraka ity mpandrarahara ity, saingy tafatsoaka ny efatra tamin’ireto jiolahy. Efa eo am-panarahan-dia azy ireo ny polisy eto Toamasina izao. Fantatra izao fa izany Didier na Willy izany no lehiben’ireto jiolahy ireto. Efa tratra tamin’ny halatra moto tamin’ny fiandohan’ny herinandro ny volana jolay ity io Didier na Willy io, saingy raha nampidirina am-ponja vonjimaika dia tsy niandry ela dia efa nahazo fahafahana vonjimaika sahady, ka izao nitarika jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izao indray. Maty voatifitry ny tenany nandritra ny fifanenjehana raha nampiasa moto roa ireto jiolahy tamin’izany. Ireo roa voasambotra kosa dia Ingahy Vahomana, izay 27 taona, teraka tany Ambovobe , sy Ingahy Stella Maris, 30 taona, teraka tany Mananjary. Samy tsy nandà ny fifandraisany tamin’izao fanafihana mpandraharaha avy naka tamin’ny banky izao izy roa lahy. Ankoatra izay dia voasambotra ihany koa ny basy PA sy bala niisa telo isan’ny nampiasain’ireto jiolahy tamin’ny fifamaliana tifitra tamin’ny polisy io. Tratra koa ireo moto roa nampiasain’izy ireo tamin’izany.

Nampahafantarin’ny kaomiseran’i Toamasina renivohitra, Rakotovao Jean Christian, fa tsy mikely soroka ny polisim-pirenena sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fametrahana ny tanàna ao anatin’ny filaminana. Izay no mahatonga azy ireo manao fisafohana ihany koa ireo toerana ambara fa mena amin’ny fokontany, izay saika izy rehetra mihitsy. Tsy azo ekena raha ny jiolahy no mametraka ny lalàny eto amintsika toy izany, hoy hatrany ity kaomiseran’ny boriborintany voalohany eto Toamasina ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici