Nitrangan’ny vaky fonja tany Betroka omaly, ka fantatra fa gadra miisa telo no tafatsoaka tamin’izany. Tsy mbola nisy hita izy ireo hatramin’ny fotoana nanoratana. Fantatra avokoa ny mombamomba azy ireo dia Ratalata Philbert, Mara Fegnona ary Sambo Famoria. Voalaza fa dahalo nahafaty olona ary anisan’ny namono ny lefitry ny ben’ny tanàna teo aloha tany Tsivory sy ny solombavambahoaka teo aloha tao Ambosary atsimo ny taona 2009 izy telo lahy ireo. Ilay depiote io dia nisy namono ny 13 marsa 2013 teo anelanelan’ny kaominina Tsivory sy Mahabo Betroka. Voarohirohy ho anisan’ny namono azy tamin’izany ireto gadra tafatsoaka ireo. Voasambotra ny 18 may 2003 izy ireo ary voampanga noho ny amin’ny raharaha fikambanan-jiolahy , vono olona narahana halatra.
Nivory haingana niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika Betroka ny manampahefana tany an-toerana. Nodinihina tamin’izany ny hanokafana fanadihadiana haingana amin’ity fahavakisana fonja ity. Ny zandary avy amin’ny vondrontobim-pileovana Betroka no mandray ny fikarohana, ary efa eo am-pelatan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady momba ny raharaha. Nivoaka ihany koa ny didy fikarohana an’ireto voafonja ireto. Manahy ny amin’ny fisian’ny tsikombakomba ny tomponandraikitra. Misokatra ny fanadihadiana.
Yv Sam