- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversClemence Raharinirina : Hampanantsoina indray eny anivon’ny mpitandro filaminana anio

Clemence Raharinirina : Hampanantsoina indray eny anivon’ny mpitandro filaminana anio

« Vao fanindiminy izao ! » hoy izy, tao amin’ny pejin’ny tambajotra sosialiny. Araka ny taratasy voarainy, dia fantatra fa hampanantsoina indray eny anivon’ny mpitandro filaminana Ramatoa Clemence  Raharinirina, mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, androany amin’ny sivy ora maraina. Ny avy ao amin’ny Sampana miandraikitra ny filaminana an-tanan-dehibe, na ny « Surete urbaine Antananarivo », etsy amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna indray no fantatra fa mampiantso azy ho « ilaina amin’ny famotorana ». Araka ny hita ao anatin’ity tambajotra sosialiny ity dia fa mety hisy hifandraisana tamin’ilay resaka savorovoro nataon’ireo mpivarotra amoron-dalana ny alakamisy lasa teo ity raharaha ity. « Resaka fanesorana tsy ara-dalàna sy ao anaty ramatahora ary fandrahonana ireo taxi miantsona teo amin’ny toerana fiantsonany, tetsy Behoririka no nandefasako taratasy tany amin’ny Talen’ny fitaterana, dia lasa izao indray no ambara fa manakorontana ny mpivarotra eny Behoririka sy ny mampirisika azy ireo tsy hanaiky fandaminana », raha atao bango tokana ny voalazany ao anatin’izay tambajotra sosialiny izay hatrany. Mihenjan-droa tokoa ny tady eo amin’ity mpanolotsain’ny tananan’Antananarivo ity sy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ho hita eo indray araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha anio.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici