Niainga tamin’ny lahatsoratra izay nosoratan’ny mpanao gazety iray ny anton’ity fampiantsoana ity. Raha araka ny fanazavana azo dia nametraka fitoriana ilay olona voakasika. Nalaina teo am-panatontosana ny asany ilay mpanao gazety ary nentina tany amin’ny biraon’ny BC. Tao indray dia nanontaniana azy ny loharanom-baovaony ary rehefa voatonona tao ny filohan’ny Hafari dia nalaina tany amin’ny biraony. Nohenoina tao izy mirahalahy, niaraka tamin’ny talen’ny fitantanana sy ny ara-bola an’ilay gazety, saingy tsy nisy ny firaiketana an-tsoratra. “Notazomina tao nandritry ny adiny telo izahay” raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy. Rehefa nandeha teo ny resaka dia nanazava ny olona nihaino anay fa fiaraha-miasa no tena antony nampanatsoina azy mirahalahy. Na izany aza anefa dia nasaina hiverina ao amin’ny biraon’ny BC indray ireo olona ireo anio amin’ny valo ora maraina. Raha araka ny fantatra dia mahakasika fananan-tany ilay lahatsoratra izay nosoratan’ny mpanao gazety voakasik’ity raharaha ity. Harahina ny fivoaran’ny raharaha.
D.R