- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNanisana : Heroine 100 grama saika haparitaka eny Sabotsy Namehana

Nanisana : Heroine 100 grama saika haparitaka eny Sabotsy Namehana

Fantatra fa manodidina ny 68.000 ariary teo ho eo ny grama iray tamin’ity rongony mahery vaika ity. Heroina miteti-bidy any amin’ny 6.800.000 ariary any ho any no sarona teny amin’ireto roa lahy, saika hanaparitaka izany teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny herinandro lasa teo. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny atidoha, tompon’ireto entana ireto.

Rehefa nahazo vaovao mahakasika ny fisian’ny olona mandeha fiara mitetika hivarotra rongony mahery vaika, heroine, eny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny zavamahadomelina dia nanao ny fanadihadiana rehetra. Ka iray andro talohan’ny fotoana voalaza fa hitondràn’ireto andian’olon-dratsy izany zavamahadomelina izany dia tra-tehaka tetsy Nanisàna ny fiara iray, taorian’ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika natao. Rongony mahery vaika manodidina ny 100 grama teo no sarona tao anatin’ny fiara nentin’izy ireo, nandritra  ny fisavàna izany. Notazomina ary nentina natao fanadihadiana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny pôlisy tetsy Anosy ny roa lahy tao anatin’ilay fiara : ny mpamily sy ilay olona iray niaraka taminy. Tamin’ny famotorana natao azy ireto no nanondroany ny mpiray tsikombakomba taminy, ary tompon’izany entana izany. Tamin’io fotoana io ihany dia nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalazan’ilay iray tamin’ireo roa lahy, ho tranon’ilay tompon’entana ny pôlisy, teny Manakambahiny. Nandritra ny fisavàna izany no mbola nahitàna heroine teo amin’ny 45 grama teo aminy. Ity farany moa, taorian’ny vela-pandrika natao dia noraisim-potsiny tetsy Ambatoroka. Ny alatsinainy lasa teo no nentina avy hatrany natolotra ny Fampanoavana ireto telolahy, mpanaparitaka rongony mahery vaika ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika teny Antanimora izy ireo, miandry ny fotoam-pitsaràna. Tsapa tokoa tato ho ato izay fa tena miparitaka izay tsy izy itony karazan-javamahadomelina mahery itony. Raha ny angom-baovao azo dia ireo tanora sy mpianatra no tena lasibatra amin’ny fandraisana azy indray amin’izao, raha nosokajiana ho zavamahadomelin’ireo mpanambola tany aloha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici