- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Telolahy mitam-basy nikasa handroba mpivarotra moto

Andrefan’Ambohijanahary : Telolahy mitam-basy nikasa handroba mpivarotra moto

Nambanana basy dia nodarohina ilay mpiambina. Tsy vitan’izany fa rehefa tsy voapitsok’ireo olon-datsy ny varavara na dia mbola niverina nidaroka azy io indray izy ireo. Vokatr’izany dia torana tsy nahatsiaro tena ilay mpiambina ary narian’ireo olon-dratsy teny Tanjombato. Ny alin’ny talata teo no nisehoan’ity asan-jiolahy ity. Ny roa tamin’ireo telo lahy no  nitam-basy, raha araka ny fanazavan’ilay mpiambina. Samy niezaka ny nanapitsoka ny hidin’ny toeram-pivarotana ireo saingy nandamoaka izany. Rehefa tena tampin-dalan-kaleha dia tany amin’ilay mpiambina no niverina nanampatra ny hatezerany. Talohan’ny nialan’ireo teo dia nopotehiny avokoa ny jiro rehetra, angamba mba tsy hanaromana ny fialany teo an-toerana. Ilay mpiambina izay torana tsy nahatsiaro tena dia nentin’izy ireo tamin’ny fiara kely izany nampiasain’ireo olon-dratsy. Natsipy teny Tanjombato nony avy eo. Niezaka nitsangana ary nanao izay ho afany mba hahatongavana eny amin’ny mpitandro ny filaminana ka nitantara ny zava-nitranga. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser