Avy amin’ny kaomisaria foibe eo anivon’ny polisy ny antontanisa. « Mbola betsaka ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kodiaran-droa. Mitarika lozam-pifamoivoizana anefa izany ary raha ny tamin’ity volana ity fotsiny dia efa 25 ny môtô niharan’izany ka efatra tamin’ny mpanamory no namoy aina », raha ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy etsy Tsaralalàna. Notohizany fa tafakatra 601 ireo kodiaran-droa tsy nisy « rétroviseur », nisy koa ny 119 hafa izay tsy nisy jiro, izany dia hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay. Mitohy hatreto ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fanaraha-maso izay ataon’ny pôlisy amin’ny fivezivezen’ny kodiaran-droa eto an-drenivohitra. Amin’ny ankapobeny dia miompana amin’ny fanentanana aloha ny tsikaritra etsy sy eroa. Toy ny tetsy Ambanidia dia tsy navela nihetsika ny kodiaran-droa raha tsy nametraka « rétroviseur » ny mpitaingina azy. Toy izany koa ny jiro izay tokony harehitra na andro na alina. Ny mpitaingina môtô no tena betsaka voarakitra ao anatin’ny antontanisa mahakasika ny lozam-pifamoivoizana. Momba ny halatra môtô izay nisesisesy, indrindra teny Ambohitsoa sy Ambohipo dia nilaza ny kaomisaria foibe fa tranga 15 no nisy hatramin’ny fiandohan’ny jolay ka 11 amin’ireo no tafaverina amin’ny tompony. Aman’aliny ankehitriny ny mampiasa môtô eto an-drenivohitra ary mila fandrindràna betsaka arak’izany.
D.R