- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManjakaray : Voaroba ny moto ao anaty tokotany mihidy

Manjakaray : Voaroba ny moto ao anaty tokotany mihidy

Nihitsoka tao an-tokotaniny ny tompon-trano. Ny antony dia nohidin’ny jiolahy « cadenas » avy any ivelany ny vavahady rehefa vitan’izy ireo ny asaratsiny. Izany no nanjo ny tokantrano iray tetsy Manjakaray ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Tsy afa-nivoaka tao an-toerana ny tompon-trano raha tsy nopitsohina ny vavahady. Mandra-pahavitan’izay anefa dia efa nanjavona tanteraka ny mpanao ratsy. Raha araka ny fanazavàna dia kodiaran-droa efa tsara toerana no azon’izy ireo nandritra ity fandrobàna ity. Tsy voalohany no nisy an’izany ary lasa misesy mihitsy aza ity halatra moto ao anaty tokotany ity eto an-drenivohitra. Samy efa nahita faisana avokoa Ambohipo, Ambohitsoa, 67ha sy ny faritra maro hafa. Toa efa arahin’ireo jiolahy maso mihitsy izay misy moto mba tsaratsara ary iverenan’izy ireo amin’ny alina. Ny itovizan’ireo toerana dia saika tokotany mihidy ary misy vavahady avokoa, izany hoe azo heverina fa tsara ambina ny kodiaran-droa. Kanefa dia toa ireny indray ary no vao mainka nanintona ny sain’ireo mpanao ratsy. Vao afakomaly ny polisy no nanao tatitra fa nahatratra 15 ny halatra moto nitranga hatramin’ny niandohan’ity volana ity monja. Nisy 11 no tafaverina tamin’ireo. Nisy nitam-basy mihitsy tamin’ireo voasambotra ary nanazava fa mampiasa izany mandritra ny fandrobàna moto anaty tanànan’olona. Manodidina ny amin’ny roa maraina eo hatrany no fidinan’ireo olon-dratsy an-tsehatra ary matetika dia miray tsikombakomba amin’ny mpiambina. Ny andrasan’ny olona mba tsy hiverimberenan’ny halatra toy izao dia ny fisian’ny fisafoana matetika amin’ny alina ary koa ny mba hahatongavan’ny hery vonjy taitra ara-potoana. Be loatra mantsy ny olona velon-taraina fa miantso ny iray dia alefa any amin’ny iray. Ny jiolahy efa tafatsoaka ihany. Etsy ankilan’izany, ilaina ny fanangonam-baovao lalindalina kokoa eny amin’ireo mpandray halatra sy mpanova ny endriky ny kodiaran-droa ao anatin’ny fotoana fohy. Mirongatra loatra ity bizina maloto ity eto an-drenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici