Misavoritana ankehitriny ny mpikambana eo anivon’ny kabinetran’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo. Vaky mantsy ny ady eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny herinandro nivalona iny dia nisy mpanolotsaina roa avy eo anivon’ity kabinetran’ny governoran’ny faritra Analanjirofo naiditry ny fitsarana am-ponja vonjimaika.
Isan’izany izao ady anatin’ny kabinetran’ny faritra izao, ny kolikoly fanaon’izy ireo aman’olona, ary fisolokiana tsotra izao. Ny herinandro nivalona teo no naiditra am-ponja izy roa lahy ireto vokatr’izay hadisoana sy heloka nataon’izy ireo. Vokany dia lasa mampisy lonilony eo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny kabinetran’ny faritra Analanjirofo, ka lasa mifampiambina amin’ny famoahana tsiambaratelon’ny fiarahana izy ireo amin’izao. Araka ny angom-baovao natao dia efa nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo Atsinanana, Rtoa Volazara Mamy, ny 11 febroary 2021, fa tsy azo ekena ary enjehiny hatramin’ny farany ireo olona voarohirohy amin’izany kolikoly sy mpisoloky izany. Tsy hananana havana izany fa na iza na iza voarohirohy ao anatin’izany dia tsy mitazam-potsiny ny fitsarana amin’izany.
Ho an-dRabehaja Rosin, araka ny angom-baovao natao, dia voarohirohy tamin’ny fisandohana ho havana akaikin’ny filoha lefitry ny antenimierandoholona faritany Toamasina ny tenany. Milaza ho mahafaka olona eo anivon’ny fitsarana noho izany izy ka akany vola be ireo olona tratrany amin’izany. Tsy vitan’izany koa fa ireo mpiompy sy mpivarotra tantely ihany koa dia isolokiany fa mila io vokatra io ny olobe eo anivon’ny fitsarana, ataony fanafody amin’ny tarehiny. Toraka izany koa ireo olona tratrany amin’ny antso an-tariby, ka mahafantatra azy, izay isolokiany amin’ny filazany fa filohan’ny antenimierandoholona ny tenany amin’ny isandohany ny feon’ity olona ambony eto amin’ny firenena ity.
Ankoatra izany, ho an-dRatsimavandy Martin dia fisolokiana taratasin-tany sy fakana hazo ato anaty valan-javaboary no tena nahalalana azy. Isan’izany koa fisolokiana amin’ny fahazoana tolobaro-panjakana tsy ara-dalàna, sy filazana ny tenany mandritra ny toerana ambanivolo falehany fa iraka manokan’ny governora ka misandoka amin’ny fanomezana taratasy fahazoan-dalana ho an’ireo mpitrandraka ala. Andrasana manomboka izao ny akon’ilay famborahana tsiambaratelo sy ny tohin’ny raharaha…
Malala Didier