Miparitaka ny zava-mahadomelina mahery vaika, indrindra fa ny héroïne. Mampanahy izany satria hetsika iray ataon’ny sampana miady amin’izany dia efa olona am-polony no voasambotra. » Tanora 14 no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Nitsindrona ‘héroïne’ izy ireo ary nisy koa ny nifoka rongony. Nisy vehivavy tamin’ireo voasambotra », raha araka ny tatitry ny polisy. Teny akaikin’ny cité des 67ha no nisamborana ireo olona izay mbola tanora avokoa, 24 taona ny zokiny indrindra ary 17 taona kosa ny kely indrindra. Izany hoe mbola mpianatra avokoa ireo efa miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina ireo. « Mbola tratra tany amin’izy ireo ny fitaovana fampiasa amin’izany fitsindronana sy fidorohana ireo zava-mahadomelina », raha araka ny polisy hatrany. Mbola manaporofo hatrany izany fa efa tena miankin-doha ireo tanora ireo. Miroborobo ny fivarotana azy ity. Toa izay nitranga tetsy Sabotsy-Namehana. Mandeha fiara ny mpandrinjara izany rehefa manao ny asany ary manana trano maromaro fametrahana ireo entana izy ireo. Roalahy no tompon’antoka ary nahitàna héroïne avokoa na ny tranony teny Nanisàna na teny Ambatoroka. Mampanahy ny fiparitaky ny héroïne eto an-drenivohitra, zava-mahadomelina izay mampiankin-doha ao anatin’ny fotoana fohy ary mampanaonao foana ny mpanjifa azy, indrindra raha vao tsy mahita. Ahoana no nahatafidiran’izany eto amintsika? Mila arahina hatrany ny tambajotra.
D.R