Gony iray, feno rongony no tra-tehaka teny amin’iny ramatoa iray, teny amin’iny faritra Ampamantanana Androndra iny, ny alakamisy lasa teo. Raha ny fantatra dia misy olona mivarotra am-bongadiny izany rongony izany, izay tonga eo aminy ka raisiny amin’ny vidiny telo hetsy ariary. Iny indray avy eo no tsinjarainy amin’ny « sachet » ary hamidiny telo alina ariary. Milaza fa mahalafo iray « sachet » isan’andro ity ramatoa ity amin’izany satria tsy tapaka tokoa ireo olona no tonga ao aminy mividy izany. Tonga teo teny an-tsofin’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina izany bizina ataon’ity ramatoa ity izany, ka nilatsahan’izy ireo maraina teny an-toerana ny alakamisy lasa teo. Tsy afa-niala intsony ramatoa niaraka tamin’ireo « entany », izay ambin’ny sisa tsy laniny. Voalazan’ireo mpanao fanadihadiana moa fa vao haingana, satria ny voalohandohan’ny taona teo izy no nanomboka niroboka tamin’ity fibizinana rongony ity, raha ny fampitam-baovao azo. Efa natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity ramatoa mpibizina rongony ity.
m.L