- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Fiara nidona tamin’ny « talus », pretra iray namoy ny ainy

Ambatolampy : Fiara nidona tamin’ny « talus », pretra iray namoy ny ainy

Ny fiara nitondra ireo relijiozy, izay potika tanteraka.

Fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza tamin’ny lalan-tany iray, mampitohy ny kaominina Antsampandrano amin’ny renivohitry ny distrikan’Ambatolampy, omaly tolakandro. Vokany, pretra iray, misahana ny paroasin’ny fiangonana ao Antsampandrano no maty tsy tra-drano. Naratra mafy kosa ireo relijiozy namany, tao anatin’izany fiara izany

Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any no nitranga ny loza, araka ny fanazavàna nomen’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy, teo amin’ny 25 kilaometatra tsy hiditra ny tanan’Ambatolampy, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohipolalina. Araka ny angom-baovao nataon’ireo mpanao fanadihadiana teny an-toerana dia somary nandeha mafy ihany izany fiara izany no sendra vaky tampoka ny kodiara aloha. Tsy voatana intsony ny familiana ka nifatratra teny amin’ny andrin-tany ilay fiara. Potika tanteraka, tsy nisy noraisina iny lohany iray manontolo iny. Nandriaka ny rà. Vokatry ny hamafin’ny dona dia namoy ny ainy, teo no ho eo ny pretra iray teo aloha. Naratra mafy, tapaka teo amin’ny tanany kosa ny mpamily, izay pretra ihany koa. Marihana fa relijiozy avokoa ny tao anatin’ity fiara ity, ireo pretra mirahalahy niaraka tamin’ny frera anankiroa, izay samy naratra ihany koa. Nezahina nentina haingana nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa ireto olona naratra ireto. Raha ny fantatra hatrany dia avy any Antsampandrano hihazo an’Ambatolampy izy ireo no izao tra-doza izao. Efa nandray an-tanana ny raharaha sy ny mahakasika ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitra amin’izany any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici