- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversCisco Toamasina renivohitra : 42,48% ny taham-pahafahana BEPC 2021…

Cisco Toamasina renivohitra : 42,48% ny taham-pahafahana BEPC 2021…

Ny sabotsy maraina tamin’ny 8 ora no natao ny fifantenana (délibération) tamin’ireo naoty nahafahana fanadinana BEPC 2021 ho an’i Toamasina renivohitra, nataon’ireo mpampianatra nisahana ny fitsarana ny fanadinana. Taorian’izany dia efa nivoaka ny valim-panadinana ho an’izany fanadinam-panjakana BEPC izany, ka fantatra tamin’izany fa 42,48% ny taham-pahafahana, izay nihemotra raha noharina ny taona nivalona 2020 iny. Teo amin’ny 6.030 ireo voasoratra anarana niatrika ny fanadinana, nahitana 803 tsy tonga noho ny antony maro. Nahatratra 2.071 ireo afaka fanadinana soamantsara. Ny tena olana ho an’ireo mpianatra niatrika izany dia ny valanaretina Coronavirus, izay nahatonga ny fampianarana tapatapaka, ka efa taty amin’ny fe-potoana farany vao nanenjika fandaharam-pianarana ireo sekoly sy mpampianatra samihafa. Ny sekolim-panjakana no tena sahirana vokatr’izany, fa ireo sekoly tsy miankina kosa nanana ny fomba nanohizany ny fandaharam-pianarana, na natao ampitan-davitra izany. Ankoatra izany dia mbola ny sekoly “CEG de Référence”, sekolim-panjakana manana fomba fampianarana sekoly tsy miankina, nanana ny fomba nentin’izy ireo nandritra ny tsy fianarana vokatry ny covid-19, no nahafaka 100% ny mpianatra ao aminy. Eo koa ireo mpianatra sangany samihafa teto Toamasina mianatra ao aminy. Izy irery ihany no nahazo izany taha 100% izany tamin’ity fanadinam-panjakana BEPC 2021 ity. Mankahery ireo mpiadina tsy tafavoaka ny lehiben’ny Sisco Toamasiana I, Rtoa Mara Sylvie Martine, koa mampirisika azy ireo tsy ho kivy fa vonona hatrany hanarina ny tsy nety tamin’ity taona ity Rtoa lehiben’ny Sisco Toamasina I.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici