- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversCarion : Kamiao nofaohin’ny lamasinina

Carion : Kamiao nofaohin’ny lamasinina

Fanindroany izay no nisy tranga tahaka ity tao anatin’ny volana vitsy ! Fiarabe iray indray mantsy no nifandona tamin’ny lamasinina tetsy Nandihizana Carion, ny sabotsy lasa teo. Tsy nisy ny aina nafoy saingy ny fahasimban-javatra kosa no betsaka, raha ny fampitam-baovao voaray.

Tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any no nitranga ny loza, raha ny fampitam-baovao azo. Efa nampaneno anjomara lavabe ilay lamasinina talohan’ny hanapahana ilay lalana kanefa mbola niditra ihany ity fiarabe, mpitatitra vokatra ity. Asa na hoe somary variana ilay mpamilin’izany fiarabe izany na somary nisy olana teo amin’ny lafiny teknika ilay fiara, ka tsy nahafahany nijanona ara-potoana. Tsy tana intsony ny fifandonana tamin’io fotoana io, ary somary nosaritin’ilay lamasinina tamin’ny metatra vitsivitsy mihitsy aza ny lohan’izany fiarabe izany vao nijanona. Soa ihany, samy tsy nisy  nitondra entana avokoa teto na ilay fiarabe na ilay lamasinina. Izay irony lamasinina nitarika « wagon citerne » mpitondra solika irony, ary vao handeha haka izany any Toamasina. Saika ratsy dia ratsy tokoa ny zava-nitranga raha toa ka efa feno solika izany lamasinina izany. Efa samy tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy avokoa moa na ny avy eo amin’ny zandary na ny avy eo amin’ny kaomisarian’ny pôlisy misahana manokana ny lalam-by, nijery ifotony ny zava-nisy sy ny fanadihadiana mifandraika amin’izany.

Ankoatra izay, mahakasika ny resaka loza tamin’ny lalam-pirenena dia fiara kely iray ihany koa no nilatsaka tanaty rano tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, mbola io andron’ny sabotsy io ihany, teo amin’ny tetezan’Andranofasika, distrikan’Ambatoboeny. Saika naratra mafy avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’izany fiara kely izany, raha ny fampitam-baovao azo. Azo heverina, hoy hatrany ny vaovao, fa mety ho fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Mety ho tsy tazan’ny mpamily sy voakendriny intsony ity tetezana ity, izay mazàna toy ny fahità amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika dia saika lalan-tokana avokoa. Tsiahivina fa vao ny volana may lasa teo no nisy loza mahatsiravina nitranga toy io ihany koa, teo amin’io toerana io. Fiara « starex »  iray indray no tsy nahavoakendry ihany koa io tetezana io ka nivarina tany anaty rano. Olona efatra no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izay. Efa ho avy tokoa izao ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe ary maro ny olona no handeha hivoaka sy hihazo ireny lalam-pirenena isan-karazany eto amintsika ireny. Mila mailo ary samy mila mandray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra, na ireo mpampiasa lalana na ireo mpitandro filaminana, izay tokony ho hentitra tokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici