Tsy vitsy, ary tena efa maro tokoa ireo efa lasibatry ny olon-dratsy tamin’iny lalana mizotra ho any Imerinkasinina iny, raha ny angom-baovao azo. Saika ireo mpifankatia mandehandeha eny an-toerana sy olona mitokatokana mitady toerana mangina no tena tratra amin’izany, raha ny fitantaran’ireo efa niharan’izany sy ny fitairanana maro anaty tambajotra sosialy ao. Tao ireo very finday, voaendaka vola sy ny sisa. Voalaza aza fa toa hoe nisy mihitsy ny niharan’ny fanolanana tamin’ireo lasibatra.
Tranga nateti-piseho ireo tato ho ato, rehefa nihanitombo sy nihabetsaka ireo olona mitsidika sy mindrana iny toerana iny. Efa lasa toeram-pitsangatsangana mihitsy mantsy iny lalana mizotra mihazo ny tanana iny, noho izy io somary malalaka, feno hazohazo fa indrindra tsara lalana, rehefa andro tsy fiasàna na faran’ny herinandro iny ary tsy vitsy ireo fikambanana na fianakaviana no mamonjy mankeny. Saika mifanohitra amin’izay indray rehefa andavanandro satria dia mazàna saika ireo olon-droa mpifankatia indray no hita eny antsefatsefan-kazo eny, mitady mangingina lavitry ny mason’ny olona. Ary ireny indrindra no fantatra fa tena ataon’ireo olon-dratsy lasibatra amin’izany.
« Efa renay ary efa maro tokoa ny olona no mitairana amin’izay tranga izay ety an-toerana. Kanefa hatreto aloha tsy mbola nisy fitoriana tonga taty aminay » hoy ny fanazavàna azo tamin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary Ambohimalaza, izay misahana iny faritra iny. Maro amin’ireo lasibatra tokoa mantsy, izay saika mpifankatia sy mpampiaraka avokoa no tsy te hiditra lalina amin’ilay fampandrenesana ny mpitandro filaminana sy resaka fitoriana, noho ny antony maro isan-karazany mahakasika ny fiainan’izy ireo manokana ohatra. « Na izany na tsy izany aza anefa, hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny filaminana ity, dia tsy mionona fotsiny amin’izao izahay rehefa maheno tranga tahaka izany, na misy na tsy misy fitoriana. Misy foana ireo zandary manao fisafoana amin’iny lalana iny, na andro na alina, na andavanandro na faran’ny herinandro ».Raha izay tokoa no zohina dia misy tokoa io firongatry ny tsy fandriam-pahelamana io eny an-toerana, satria vao tsy ela akory ireto mpanao fisafoana no nahatratra mpangalatra bisikleta iray teny an-toerana, izay efa natao famotorana sy natolotra ny fitsaràna. Etsy andanin’izay, hoy hatrany izy, tsy mitsahatra ihany koa izahay, manatona sy manentana ireny olon-droa mitsitokatokana ireny, anaty hazo lavitra rehetra any, sendra hitanay, mba hanatona lalana mazava sy tsy hijanona amin’izany toerana izany, hisorohana ny zava-dratsy mety hitranga tampoka. Tsy kely lalana tokoa mantsy ny ratsy, ary mazàna ny toerana be mpahafantatra sy be mpitsidika dia tsy hilaozan’ny olona ratsy. Aleo mailo hatrany.
m.L