Taorian’ny fametrahana fandriampahalemana niarahan’ny polisy sy zandary ary miaramila tany Vatomandry sy Mahanoro noho ny firongatry ny asan-jiolahy tany an-toerana , izay nifarana ny 15 jolay lasa teo, dia eto Toamasina indray ny polisin’ny FIP mametraka izany filaminam-bahoaka izany amin’izao, ka efa nisy vokatra sahady izany.
Ny alahady 1 aogositra alina teo dia nanao « opération » tao amin’ny fokontany Morarano sy “Dépot” Analakininina ny polisy ny FIP. Andian-jiolahy mpanao fanafihana kioska mpanakalo vola sy mpamongady ary tranom-barotra no nosamborina tamin’izany araka ny angom-baovao azon’izy ireo. Nanomboka tamin’ny 7ora hariva fotoam-pivorian’ireo andian-jiolahy manomana ny fanafihana ho atao, no tonga koa ny FIP nisambotra azy ireo notarihan’ny komandany ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy roa izay heverina ho tena mpitarika ireto andian-jiolahy ireto sy mbola nahatrarana basy PA vita frantsay niaraka tamin’ny ambim-bala nifampitifirana tao anatiny. Enina kosa nitolo-batana ka voasambotra, izay vehivavy ny roa tamin’izany, izay mpaka ny vaovao rehetra mikasika ireo kioska na magazay na tranom-barotra misy sy be vola ho ravan’izy ireo. Tsy nifarana ny fisamborana raha tsy ny alatsinainy 2 aogositra tamin’ny 4ora maraina. Fantatra ihany koa araka ny fanazavan’ny FIP Toamasina, fa ireto andian-jiolahy ireto no nanafika ilay rangahy sy ny fianakaviany avy nivarotra hody niaraka tamin’ny vola 20 tapitrisa ariary izay voatifitra teo akaikin’ny orinasa Galana. Mbola izy ireo ihany koa no nanafika ny volan’ity rangahy saika haterina amin’ny banky teo amin’ny tobin-tsolika Jovenna; toy izay koa ilay tratran’izany teo akaikin’ny tobin-tsolika Tsararivotra.
Ankoatra izay dia efa saika hanao fanafihana mpivarotra tao Mahavelona Foulpointe koa ireto ny faran’ny herinandro teo. Tsy tanteraka izany noho ny angom-baovaon’ireto andian-jiolahy tsy ampy ka mbola tsy natao izany, nefa izao voasambotra sy maty izao izy ireo. “Tsy maintsy mandry fahalemana i Toamasina” hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules.
Malala Didier