Tsy nifidy toerana hangalarana intsony ilay lehilahy. Eo amin’ny toerana izay isan’ny ifamezivezen’ny olona, tsenan’ny tantsaha, no naka akoho iray izay isan’ny namidy teo izy. Tsy lasa lavitra dia voasambotry ny olona ary niharan’ny daroka isan-karazany. Nentin’ny oloba teny amin’ny polisy ary teo izy dia nitsotra fa noho ny hanoanana no antony nanatontosany ilay asaratsy. Fomba iray izay entin’ny sasany hanalefahana ny heloka vitany ihany io kanefa na izany aza dia nahatalanjona ny olona ny fahasahiany. Teny nobaikon’ny hanoanana tokoa ve? Etsy andanin’izany, mbola iny andron’ny tsenan’ny tantsaha iny koa no nisy roa lahy voasambotra noho ny fanendahana. Tsy tsikaritr’ireo ny fisian’ny polisy nanao fanamiana sivily nivezivezy sy nanara-maso ny fihetsiky ny olona. Vao nahavita ny asaratsiny ka nitsoaka dia niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana ary tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Vehivavy niandry taxi-be teo 67ha no nataony lasibatra. Lasa ny findainy rehefa nandeha ny sinto-mahery. Voaverina ihany izany minitra vitsy taty aoriana rehefa voasambotra ny olon-dratsy. Samy nidoboka am-ponja avokoa ireo olona tratra ambodiomby ireo rehefa natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy omaly. Ny tranga toy izao dia manamafy fa ilaina ny fisian’ny polisy manao fanamiana sivily mba hoentina « manjono » ireo jiolahy. Mila ovaovaina koa ireo mba ho fiarovana ny ainy, satria manana mpitsikilo marobe ny olon-dratsy izay matetika dia miasa anaty tambajotra.
D.R