- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Tovolahy tra-tehaka nangalatra vy

Antohomadinika : Tovolahy tra-tehaka nangalatra vy

Mbola tsy ampy taona akory  ! Ny alahady lasa teo, tovolahy iray 17 taona no tra-tehaky ny pôlisy teny amin’iny faritra Antohomadinika iny teo am-pangalarana vy, varavaram-by. Saika hitsoaka ihany ity farany, saingy tsy nahaleo ireo mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny. « Nandritra ny fisafoana natao dia tratran’ny mpitandro ny filaminana ambodiomby nanendaka varavaram-by tamin’ny trano iray teny Antohomadinika ity lehilahy ity ary nentina avy hatrany teny amin’ny Poste de Police nanaovana fanadihadiana. Taorian’ny fakana am-bavany azy dia natolotra ny Fampanoavana ary notanana am-ponja vonjy maika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.

Amin’izao tokoa, dia izay rehetra ahazoam-bola maimaim-poana no lasa itodihan’ny olona, hany ka tsy atao mahagaga raha mirongatra ireo totakely, mpangalatra ary ireo mpisoloky. Raha ity resaka halatra vy ity tokoa dia tsy vao izao no nahazo vahana io fa efa ela ihany. Lasibatra ary tsy misy miangana intsony izay vy azo « alaim-potsiny », toy ny amin’ireo fotodrafitrasa iombonana, toy ny andrin-jiro, ny fefy, ny arofanina, sy ny maro hafa. Amin’izao aza, raha ny miparitaka anaty tambajotra sosialy ao sy ny hita teny an-toerana dia toa hoe efa misy mitady hikasa haka ireo vy natao arofanina amin’iny lalam-baovao « rocade Iarivo » iny, izay hanaingana sy hanaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana ny faritra lalovan’izany lalam-baovao izany.

Matoa tokoa mantsy mahazo vahana ny mpangalatra dia mazava ho azy tsy maintsy misy mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, mpandray sy mpividy halatra ao. Tato ho ato izay dia tsikaritra fa saika hita isaky ny elakelan-trano ireny olona mitondra « balance à bascule » sy mametraka soratra amin’ny solaitra hoe « mividy vy » ireny …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici