Aiza ny lesoka? Moa tena toeram-panarenana marina ve ny fonja eto amintsika? Lehilahy gadralava iray no voasambotry ny polisy indray teny amin’iny faritra Ankaraobato iny omaly maraina. Efa tsy zoviana amin’ireto mpitandro filaminana intsony ranamana, ary tsy vahiny intsony amin’ny toerana hametrahana azy indray aorian’ny famotorana. Nandritry ny androm-piainany mantsy dia efa “namavangivangy” ny teny am-ponja inefatra ambin’ny folo ingahirainy ary hiditra amin’ny fahadimy ambin’ny folo “nitoerany” teny. 53 taona ny lehilahy amin’izao raha ny fampitam-baovao nomen’ny polisy nanao ny fanadihadiana ary efa raindahiny sy diso fantatry ny olona eny an-toerana amin’ny fandraisana rongony sy famarotana izany. Nambarany nandritra ny fanadihadiana azy fa tsy hita isaina intsony ny laniny rehefa tena mifoka izay izy. Ankoatr’izay, maro ihany koa ireo olona mividy “entana” ao aminy. Voalazany fa mahatratra hatramin’ny 15 fonosana any ho any no lafony isan’andro. Fa ankoatr’ity ranamana iray ity, izay angamba tompodakan’ny fivezivezena any am-ponja dia nisy lehilahy iray hafa, 44 taona, ihany koa, izay fantatra fa efa intelo nigadra no voasambotra ny talata teo, teny Ankadindratombo indray. Voarohirohy tamin’ny resaka fandraisana sy famarotana rongony ihany koa moa ingahirainy, izay noraisim-potsiny teo am-pivarotana teny an-tranony. Marihana hoy hatrany ny fanomezam-baovao fa vao avy namita ny saziny sy nivoaka ny fonja tamin’ity taona ity mihitsy izy no izao tra-tehaka izao indray. Ary inoana fa hiverina tsy ho ela any indray. Tanana efa zatra mitsotra tokoa angaha e….
- L