Mpandeha hiazo an’i Belo sur Mer no voaroba karatra arivo isa. « Etoana dia mampitandrina antsika rehetra mba ho malina hatrany raha sendra misy fikasàna hividy na hivarotra ireo karatra kikisana mitondra ny laharana 32201204131179000 – 32201204131179999 ary marihina fa ireo karatra ireo dia tsy mbola mandeha », raha araka ny fampitam-baovao nataon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Airtel. Mbola manamafy hatrany ny tranga toy izao ny firongatry ny asan-jiolahy eto amintsika, tsy voatery ny eto an-drenivohitra ihany. Naato avokoa ireo laharana izay voalaza etsy ambony kanefa kosa azo inoana fa efa niparitaka etsy sy eroa ireo karatra kikisana ireo. Eo indrindra no mila hamafisina ny tokony hataon’izay nahazo izany raha toa ka manatona ny solontenan’ny orinasa na koa ny manam-pahefana, torak’izany koa ny tokony hatao mba hanoloana ny karatra.
D.R