- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Lahiantitra75taona sy ny vadiny notafihin'ireo malaso: vaky loha, voafira...

Amboasary Atsimo : Lahiantitra75taona sy ny vadiny notafihin’ireo malaso: vaky loha, voafira famaky’

Raha mbola mitohy ny fanafihan’ireo malaso amin’iny distrikan’Amboasary Atsimo, ka nahafaty ireo zandary roa nandritra ny fifandonana, tsy mifanalavitra amin’izany ny tranga nisy tao amin’ny distrikan’ i Tolagnaro.Tao amin’ny tanan’ny Hovatra no nitranga ny fanafihana.Sahabo ho tany amin’ny 9 ora alina no tamy tampoka ireo malaso 14lahy.Tsy nisalasala avy hatrany nivantana tao amin’ ny tanàna niharan’,ny fanafihana lahiantitra 75taona sy ny vadiny.Teny amin’ny vozon’ilay dadabe ny antsy, nokapohina sy nofiraina ny lohany, ny pistolet eo amin’ny fihirifany. Natahotra ny hofaty ilay ramatoa vadiny,Voatery nomena ny vola.Lasa tamin:izany ireo entana tao an-trano, vola an-tapitrisany .Tsy vitan’ny hoe nentiny ireo izay hitany. Nopotehin’ireto malaso ireto ny vilia sy ny maro hafa.Ireo malaso sasany etsy andanin’izany manodidina ny tanàna maka sy mitatitra ny entana .Araka ny fanadihadiana dia ny mpiray tanana ihany no mitarika malaso. Mandeha ny famotorana, fa ireo mpivady naratra kosa mbola manaraka ny fitsaboana.

Rfa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser