Mihorohoro ny any ambanivohitra. Notafihan’ny dahalo nirongo fiadiana mahery vaika tao amin’ny fokontany Antatatra kaominina ambanivohitra Anahidrano, distrikan’ Antsohihy ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Raha ny loharanom-baovao, nanao tifitra variraraka tamin’ireo fokonolona nanao fiambenana teo amorom-bala ireo mpanafika ka nandratra olona efatra avy ao amin’ny kaominina Anjiamangirina. Mpikambana amin’ny Dina Malain-kalatra izy efatra ireo.
Nanao hetsika fanentanana ireo fokonolona isaky ny fokontany mba hiaraka amin’izy ireo hanao hetsika fampandrian-tany ka izao notafihan’ny dahalo izao. Nisy omby nokarohina mitondra ny marika CMAD, ka nandritra izany fandalovan’izy ireo izany no nahitana omby mitondra ny marika nihaodihaody manodidina io fokontany io, ka niroso tamin’ny fisamborana izany ireto farany. Nalefa tany Anjiamangirina ny voalohan’ny herinandro teo fa ny sasany kosa mbola tafajanona tao ka izao niharan’ny fanafihana izao. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ireo olona mpikambana ao amin’ny Dina Malain-kalatra ireo. Marihina fa tsy nampilaza ny mpitandro filaminana izy ireo mialoha ny fisian’ny hetsika nataony.
Yv Sam