Taorian’ilay zava-niseho nihatra tamin’ny mpampianatra iray tao Belo Tsiribihana ny sabotsy teo dia voalaza, araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana, fa toa hoe nanapa-kevitra ireo mpampianatra any ny tsy hampianatra intsony ireo zanaka miaramila aloha, amin’ity fidirana ho avy ity, mandra-pahita ny vahaolana. Raha ny marina aza dia toa hoe, mitaky ny hialàn’ireo kaomadin’ny holafitry ny miaramila faha-510 io any an-toerana mihitsy ireto farany. Nambara mantsy, raha ny fampitam-baovao hatrany, fa efa feno loatra ny kapoakan’izy ireo, fa indrindra ny an’ireo fokonolona ny amin’ity ataon’ity Lehiben’ny miaramila sy ny olom-peheziny any an-toerana ity.
Ankoatra ilay mpampianatra izay sahy nijoro mantsy dia efa maromaro ihany ireo olona niharan’ny herisetra sy tsy rariny ary ny tsindry hazo lena nataon’ireto miaramila ireto, ary tsy vao tamin’io andro io ihany. Ny tena mampalahelo, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo, dia ny lehiben’izy ireo mihitsy, ity kaomandin’ny holafitra faha-510 ity, no mitarika ireo miaramilany amin’izao toe-javatra mampalahelo misy any an-toerana izao. Ity farany, izay voalaza fa toa hoe tsy mety hiasa ho an’ny vahoaka, hiaro ny fananany, amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, raha tsy karamain’ireo fokonolona an-tapitrisany miaraka amin’ireo olona feheziny. Ambonin’izay dia tsy maintsy omena sakafo ary tsy maintsy atao akoho ny laoka. Manginy fotsiny ny fanindritsindriana sy ny herisetra isan-karazany. Etsy andanin’izay dia fantatra fa toa efa tsy dia mifandray loatra amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony mandrafitra ny OMC any an-toerana intsony izy, araka ny vaovao azo hatrany. Miandry ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny Tafika araka izany ny rehetra.
Nangonin’i m.L