Nasain’ireo miaramila iray fiara nanao « couchez-vous » ireo olona rehetra tao an-tsena. Ireo tsy nety nanararaka dia voadaroka avy hatrany. Anisan’izany ity mpampianatra iray, izay tena voa mafy tokoa ka voatery nalefa tany amin’ny hôpitaly. Marihina, raha ny fampitam-baovao azo, fa mamo avokoa ireto miaramila ireto, izay notarihin’ny lehiben’izy ireo, ny kaomandin’ny holafitra faha-510. Zava-niseho tao amin’ny tsenan’ombin’ny Belo Tsiribihina, ny andron’ny sabotsy teo.
Fisetrasetrana tsotra izao ! Araka ny fanangonam-baovao azonay dia voalaza fa avy nifety ny fiakarana galona ny iray tamin’izy ireo izy ireo. Ireto andiana miaramila iray fiara ireto no tonga masiaka tao amin’ity tsenan’omby ity. Tsy nisy alaharo alaharo, tsy nisy na inona na inona akory tao amin’io tsena fa avy hatrany dia nasain’izy ireo nanao « couchez-vous » tsy amin’ny antony avokoa ireo olona rehetra tao an-tsena. Raha ny voalaza hatrany dia nisy mpampianatra iray, handeha hijery omby hovidiana nahita ny zava-nisy ary niteny mora ireto andiana miaramila notarihin’ny lehibeny ireto fa zavatra tsy mety no ataon’izy ireo. Ity farany indray avy eo no nifatraran’ny hatezeran’ireto mpitandro filaminana, izay niafara tamin’ny vono sy daroka mihitsy. Indrindra fa rehefa niteny ity farany fa tokony hifanazava eny amin’ny Sefo distrika, izay tompon’andraiki-panjakana voalohany, saingy tsy tao an-toerana ity farany. Naheno izany ireo miaramila ka vao mainka niakatra afo, nitaritarika ity mpampianatra ity teny amin’ny biraon’ny distrika ary mbola nanohy ny ompa sy daroka hatrany. Tsy navelan’ireto miaramila ireto raha tsy tena voa mafy sy izao niditra hôpitaly izao.
Manoloana ny zava-nisy dia milaza ny tsy hipetra-potsiny ny havan’ity olona naratra ity ary efa nametraka fitairana eny anivon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Etsy andanin’izay, nisy ihany koa ny fandraisana andraikitra nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana, notarihin’ny Sefo distrikan’i Belo Tsiribihina, Atoa Rajaofera Eugène. Nambaran’ity farany tamin’izany moa fa « na inona na inona antony, dia melohiny tanteraka ny fikasihan-tanana sy ny fandratrana olona ». Fantatra fa efa nisy ny tatitra nalefa any amin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena amin’izao raharaha izao. Ny avy eo anivon’ity farany, tamin’ny alalan’ny Sampana serasera moa dia nilaza mazava fa « tsy maintsy hisy ny fanokafana ny fanadihadiana ary tsy maintsy hosaziana mafy ireo hita fa nihoa-pefy, izay manaratsy endrika ny Tafika Malagasy ».
m.L