- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Misy maniraka zaza hodomin'ny fiara na moto

Anosibe : Misy maniraka zaza hodomin’ny fiara na moto

Efa mifampizara ny zava-misy, izay miverina matetika eny an-toerana, ankehitriny ireo izay efa tratra. Misy ny mpamily fiara ary misy koa ny mpitondra kodiaran-droa. Zaza manapaka tampoka ny làlana no tena nomarihan’ireo. Ao anatin’izany dia na ianao mahadona, na ianao tafajanona, ary mivoaka ny fiara. Raha kodiaran-droa indray dia matetika ny midaraboka amin’ny tany. Amin’ireo tranga roa ireo, misy renim-pianakaviana mipoitra haingana be eo ary manomboka mivazavaza. Poa toa izay koa dia efa mivoaka ny vatan-dehilahy. Dikan’izay, be noho ny vitsy ary lasa mamoaka vola am-paosy ho azy mba hiarovana ny aina. Ny tena loza dia raha vao elaela mijanona dia mitombo ihany ny fahavoazana. Mety ho lasa ny kojakoja ao anaty fiara (autoradio sns) ary koa ny entana mipetrapetraka ao anatiny, toy ny finday. Ny an’ny moto indray dia mety ho izany mihitsy no voatosika ary manjavona raha tsy mailomailo ny tompony. Ny fanaon’ilay tambajotra mantsy dia ny mampihorohoro ilay olona mba tsy hahafahany manara-maso ny fananany ary dia mora foana amin’izay ny fanatontosana ny halatra avy eo. Fa ny tena mahatalanjona dia ny fahafoizan’ireo ray aman-dreny hafahafa ny zanany hatao sorona mba hitadiavam-bola : hatao manapa-dàlana tampoka. Toa ny hoe tsy aina ny niteraka sy nanabe azy. Mila fandrihan’ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily indray ireto olon-dratsy ireto satria efa famonoana olona an-kolaka ilay fanao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici