Ramatoa efa lehibe no voadona ka tapaka ny valahany. Ny nandona indray dia irony kodiaran-droa matanjaka sy fihazakazahana irony, « bol d’or ». Ny zoma teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana, tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro. Teo amin’ny toerana voatoka hiampitàna (passage cloûté) – raha hiampita arabe ilay ramatoa – no voadona. Teo itany dia efa nidaraboka tamin’ny tany ary tsy tafatsangana intsony. Samy nikoropaka ny olona namonjy azy ary mbola teo koa ny mpanamory ilay môtô. Ny tapaka dia entina ao amin’ny toeram-pitsaboana iray tsy miankina eo Ambatomainty. Naka fiarakaretsaka ary notaterina ny naratra. Nihevitra ny olona fa nanaraka avy ato aorinan’ny fiara ilay kodiaran-droa, araka ny fampanantenan’ilay mpanamory azy, saingy tsy izany no nitranga. Teny an-dàlana dia niova làlana ary nanjavona. Tsy hita hatramin’ny omaly, izany hoe efatra andro taorian’ny lozam-pufamoivoizana izay tompon’andraikitra ny tenany. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Hjra ny marary ankehitriny noho ny tsy fahampian’ny fitaovana tao amin’ny tsy miankina tetsy Ambatomainty. Manaporofo ny fahavoazana mafy izay nanjo azy izany. Hivadika heloka arak’izany ny vesatra ara-pitsaràna miandry ny nandona noho ny fitsoahany ny andraikiny. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny havan’ny marary dia efa fantampantatra ny momba azy ary handeha tsy ho ela ny fikarohana na ny fisamborana azy ao an-tranony izay eny amin’ny manodidina ihany. Raha tsy hoe angaha mitolo-tena eny amin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna ny tenany, izay rahateo dia mety hanamaivana ny vesatra ara-pitsaràna amin’ity tranga iray ity. Etsy andanin’izany, ny tetsy amin’ny hopitaly izay nitondràna ny marary tamin’io zoma io dia nisy olona efatra izay naratra mafy, nisy hatramin’ny tapaka ny tongotra roa. Samy nofaohin’ny kodiaran-droa samihafa avokoa ireo ary samy nitsoaka koa ny tompon’andraikitra tamin’izany. Ny iray anefa mba tratra rehefa nandeha ny fanadihadiana ary dia efa mandeha ny fifanarahana isan-karazany. Nanamafy ny naratra fa môtô lehibe avokoa ny nandona. Mendrika hojerena akaiky ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe satria toa mora loatra ny mitsoaka andraikitra raha jerena ireo tranga samihafa ireo. Ny fampiasàna teknolojia no vahaolana tsotra indrindra rehefa tsy ampy ny olona.
D.R