- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanenana ny lozam-pifamoivoizana : Hisitraka ny fanofanan’ny DGSR ny mpamily eo anivon’ny...

Fanenana ny lozam-pifamoivoizana : Hisitraka ny fanofanan’ny DGSR ny mpamily eo anivon’ny CUA

Tapitra omaly ny fanofanana ny mpamily eo anivon’ny FID (Fond d’intervention pour le developpement), nampanaovin’ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). « Tanjona amin’ny fampiofanana toy izao ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana. », hoy ny tale jeneralin’ny DGSR, ny Jly Tsirivelo Nicolas nandritra ny fizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana teny Alarobia. « Marobe ny fangatahana voarainay saingy tsy maintsy tsinjaraina izany ka anjaran’ireo mpamily eo anivon’ny CUA indray no hisitraka fampiofanana amin’ity faran’ny volana aogositra ity », hoy izy. Miisa 66 ireo mpiofana avy amin’ny FID izay notsinjaraina tamin’ny sokajy telo, ka ireo fahalalana fototra ankapobeny mikasika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no nampiofanina azy ireo. Nanampy izany ny fikojakojana ny fiara, ny fitondran-tena tokony hananan’ny mpamily ary ny ady amin’ny kolikoly. Nambaran’ny Jly Tsirivelo hatrany fa ny fampihenana ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fitandremana ataon’ny mpamily no tena tanjona tamin’ny fiofanana. « Raha ny kajikajy hatreto, tsy mifanalavitra ny antontanisan’ireo olona matin’ny lozam-pifamoivoizana sy ny asan-dahalo. Fotoana izao hitondrana anjara biriky mba hisorohana sy/na hampihenana izany loza izany », hoy ny DGSR. Anjaran’ireo mpamily eo anivon’ny CUA indray izany no hisitraka ny fiofanana.

Yv Sam

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici