- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRamatoa voatifitra nandritra ny fisamborana : Mitondra fanazavana ny zandary ao Anjozorobe

Ramatoa voatifitra nandritra ny fisamborana : Mitondra fanazavana ny zandary ao Anjozorobe

Manoloana ny fanehoana sy fizarana vaovao tsy marina nataon’olona mitondra ny kaonty hoe « Assimi Marley » tato anaty tambajotra Facebook, manambara fa namono olona indray ny zandary tany Anjozorobe, dia nitondra izao fanazavana izao ny zandary any an-toerana. «…Tsy marina fa namono an’io ramatoa io ireo zandary nanao asa fisamborana jiolahy. Io ramatoa io dia tsy iza fa Ravaozanany Julienne, renin’ireo jiolahy atao hoe Trôfa sy Belouis izay nampiantranoiny ny alin’ny 5 aogositra. Rehefa natao ny fisamborana ireo jiolahy vao mangiran-dratsin’ny 6 aogositra dia nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Namaly tifitra ireo zandary, ary voa tamin’izany Ramatoa Julienne, rehefa niara-nandositra tamin’ireo dahalo rehefa avy nitifitra. Efa nomena fitsaboana izy ary mitohy ny famotorana. Marihina fa ireo jiolahy ireo dia tarik’i Del kely, ary efa nokarohina nanomboka ny taona 2019, nanao asan-dahalo sy asan-jiolahy. Ireo no nitifitra nahafaty ny zandary antsoina hoe G1C Amby Cyrius, niasa tao Antanetibe Anativolo, niseho ny 24 desambra 2019.mpiara-manao fanafihana sy fakana an-keriny tamin’i Del kely sy ny namany, toy ny nitranga tao Marotsipoy ny faran’ny taona 2019 ihany. Isan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny nitranga tao amin’io tanàna Ambohimanarivo io ihany koa tamin’ny jolay lasa teo, ary nahafatesana olona mihitsy aza ».

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici