- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-2 : Jiolahy mpanakan-dalana 8 saron’ny zandary tao Brickaville

Lalam-pirenena faha-2 : Jiolahy mpanakan-dalana 8 saron’ny zandary tao Brickaville

Nahita vokatra tamin’ny fisavana tampoka tamin’ny lalam-pirenena faha-2 iny ny zandarimariam-pirenena atsinanana. Efa volana maromaro no tsy nahitana izany, saingy niverina nirongatra izany noho ny fahapotehan’ny lalana.

Nanao fisavana teo anelanelan’i Toamasina sy i Brickaville ny zandary noho ireo famakiana kaontenera mirongatra be noho ny faharatsian’ny lalana, ka voatery mandeha mora ireo mpitatitra taxi-brousse sy kamiao mandeha aminy. Tamin’izany dia vela-pandrika no natao ny alahady alina teo tamin’ny lalana hatrao Brickaville iny, ka nahatrarana jiolahy 8. Ny 5 tamin’izany mpamaky ireo taxi-brousse izay efa nokarohina hatramin’ny taona 2019 saingy izao vao saron’ny zandary. nisy 3 kosa ireo mpamaky kamiao. Ny iray maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary ny alin’ny alahady io. Ny iray kosa tafaporitsaka nandritra ny fifanenjehana. Ny iray voasambo-belona tamin’izay. Raha vita ny fanadihadiana, hoy ny zandary manao izany, dia hiakatra fampanovana ireo olona 8 voasambotra, ary inoana fa miandry fitsarana am-ponja mba hampisy filaminana amin’ny lalam-pirenena faha-2. Tsy milefitra amin’ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka amin’ny lalam-pirenena ny zandary, ka tsy maintsy hanao ny asa nampiandraiketina taminy, ary tsy hitsitsitsy ao anatin’izany fa hampiasa ny fitaovam-piadiana nomen’ny lalàna eny aminy.

Mitohy manomboka izao ny fanaraha-maso ka hisy ny paikady hentitra horaisin’ny zandary, mba tsy hampitebiteby an’ireo mpitatitra mandalo amin’ny lalam-pirenena faha-2. Toky no nomen’ny zandary fa ho avy masiaka izy ireo amin’izay fametrahana filaminam-bahoaka amin’ny lalam-pirenena faha-2 izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici