- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana sy Antanandrano : Sarona ireo mpamatsy rongony eny an-toerana

Sabotsy Namehana sy Antanandrano : Sarona ireo mpamatsy rongony eny an-toerana

Lehilahy iray 50 taona sy tovovavy iray 22 taona no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy teny Ambohitrangano, Sabotsy Namehana sy Antanandrano, ny alarobia 11 aogositra 2021 lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro, noho ny resaka fivarotana zava-mahadomelina. Fantatry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy olona mivarotra sy mamatsy rongony iny faritra Sabotsy Namehana sy ny manodidina iny. Nidina teny an-toerana ary  izy ireo nanara-maso sy nijery ny zava-misy. Natao ny vela-pandrika ka ny 11 aogositra 2021 dia lehilahy iray 50 taona no tra-tehaka voalohany tao Ambohitrangano, kaominina Sabotsy Namehana. Mbola nahatrarana rongony milanja 500 grama tao aminy. Voalaza fa vidiany 20000Ar ny iray « sachet » ka tsinjarainy ary amidy 500 Ar ny fonosana. Ilay tovovavy 22 taona kosa dia teny amin’ny faritra Antanandrano iny no tra-tehaka. Mbola nahatrarana rongony 12 fonosana teny aminy izay amidy 1000Ar ny fonosana kely raha 2000Ar kosa ny fonosana lehibe. Samy mahalafo rongony 10 fonosana avy izy roa ireto rehefa mivarotra. Araka ny fanadihadiana natao azy ireo dia fantatra fa tamin’ny taona 2020 kosa ilay lehilahy no efa nisehatra tamin’ny famarotana rongony sy namatsy iny faritra Sabotsy Namehana iny ka izao tra-tehaka izao. Efa natolotra ny fitsarana omaly daholo izy ireo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici