- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana voasambotry ny SAG

Itaosy : Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana voasambotry ny SAG

Lehilahy iray 29 taona no nosamborin’ny Polisin’ny SAG ny faha 11 Aogositra 2021 teo tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro teny Itaosy noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Alona tsara sitrapo no nahalalan’ny polisy fa misy jiolahy mipetraka eny amin’iny faritra Itaosy iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisin’ny SAG nanamarina ny vaovao ka tratra tao an-tranony ity voalaza fa jiolahy ity. Avy hatrany dia noentina teny amin’ny Biraon’ny Polisy BC Anosy ity farany nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fakana am-bavany azy dia fanatatra fa anisan’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto Antananarivo Renivohitra ity jiolahy ity. Fantatraihany koa tamin’ny fanadihadiana azy fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ny Jumbo Score Antsahabe tamin’ny 20 mars 2020 lasa teo ity olon-dratsy ity izay efa karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra. Omaly moa no natolotra ny fampanoavana iey ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici