- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Tovolahy mpanaparitaka rongony tratra

Tsiadana : Tovolahy mpanaparitaka rongony tratra

Lehilahy iray, 32 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Ataninandro teny amin’ny faritra Tsiadana rehefa nahitana fonosana rongony. Izy io no anisan’ny mpanaparitaka rongony eny an-toerana, izay mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny manodidina. Maro rahateo ny mitaraina amin’ny afitsoky ny mpanendaka sy ny olon-dratsy mamaky trano. Ampolony ny fitarainana atain’ny olona lasibatry ny asan-jiolahy. Nanatanterana hetsika manokana hiadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’ny fari-piadidiany ny polisy ao amin’ny CSP3 ny herinandroteo. Tamin’ny fandalovany teo Tsiadana tokony ho tamin’ny 06 ora sasany hariva dia nifanehatra tamina lehilahy iray somary hafahafa fihetsika izy ireo. Rehefa nosavaina ity farany dia rongony amin’ny fonosana no hita teny aminy. Taorian’ny fanadihadiana azy dia natolotra ny faitsarana ny raharaha ary nampidirina am-ponja vonjimaika ity voasambotra ity. Hitohy hatrany ny hetsiky ny mpitandro filaminana manoloana izany satria anisan’ny mampitombo ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny rongony. Eo ihany koa tanora izay simban’ny fidorohana ka manaonao foana avy eo. Mampitombo ny jiolahy sns.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici