- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSadabe : Tokantrano voatafika jiolahy mirongo basy

Sadabe : Tokantrano voatafika jiolahy mirongo basy

Ity tranga ity dia ahafahana milaza fa efa tonga any ambanivohitra ireo andian-jiolahy mpanao fana fihana mitam-piadina mandroba tokantrano fotsiny izao. Ny alakamisy lasa teo dia jiolahy 4 mitondra basy poleta vita gasy no voalaza fa nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambodivoninkely, kaominina Sadabe, distrikta Manjakandriana. Araka ny loharanom-baovao, tamin’ny 3 ora maraina no niditra ankeriny tao amin’io tokantrano iray ireto olon-dratsy. Ora izay mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka ny tompontrano. Ireto farany izay voatery namoha ny varavarana rehefa nahazo fandrahonana ka tsy afa-nanohita intsony fa dia nanaraka am-bokony ny sitrapon’ireo mpanafika. Nanao izay tiany ato ireto farany ka nandroba ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 500 000 ariary, ny telefaonina finday marika Itel, ny fahitalavitra « écran plat » iray, ary « tablette » iray. Rehefa nahavita ny nataony izy ireo dia lasa nirifatra nandositra. Teo vao niezaka nivoaka nijery ny lalan’ireo mpandositra ireo voatafika ka nahatsikaritra fa nizotra niantsinana nihazo ny lalana mankany ankazondandy  no dian’ireo jiolahy.  Tao aorian’zay moa dia nampandre ny tompon’andraikim-panjakana teo antoerana izy ireo. Ireto farany indray no niantso ny zandarimaria ao Sadabe,o izay avy hatrany dia naka ny fepetra tokony tandrify mba hanenjehana haingana ireo nahavanon-doza. Nampandresina avokoa ireo tobin’ny zandary manodidina mba hanao ny fanakanana sy savahao ny manodidina azy ireo. Natao ihany koa ny fanarahan-dia saingy hatreto dia mbola tsy nisy vokany izany. Na eo aza izany rehetra izany dia tokony handinika ihany ireo mpitandro ny filaminana fa efa toa miova endrika tanteraka ny toe-draharaha any ambanivohitra any. Raha izany Sadabe izany mantsy no lazaina dia resaka halatra omby no mampalaza iny faritra iny teo aloha, izany hoe asan-dahalo saika miendrika ambanivohitra. Ankehitriny anefa toa lasa jiolahy mpandroba toy ny ety andrenivohitra no saika hita any. Sa ve ireo mpanao izany asa ratsy izany tety an-drenivohitra no lasa nikisaka any amin’ny sisiny ?

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici