
Toeram-piompiana akoho nofosana (poulet de chair) no nirehitra ny marainan’ny alakamisy teo. Kila tsy nisy noraisina ny toerana ary torak’izany ihany koa ireo biby fiompy tao anatiny. Notombanan’ny tompony ho any amin’ny sivy tapitrisa ariary any ny fahavoazana vokatr’izany hain-trano izany. Lasan’ny afo ato anatin’ny indray mipi-maso ny fananana izay mba niariana nandritry ny fotoana ela. Misy ny fanadihadiana izay nosokafana mahakasika ity tranga izay niseho tao Ambatotsidikaina, Andrainjato-Centre ity.
D.R