- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsanitia : Mpanao vakansy iray natelin'ny ranomasina

Antsanitia : Mpanao vakansy iray natelin’ny ranomasina

Hita ny ampitso maraina ny razana.

Nilomano ary maty nalentiky ny rano. Tovolahy iray 23 taona izay nanao vakansy tao Antsanitia-Mahajanga no niharan’izany. Ny zoma teo no nitranga izany teo amoron-dranomasina. Raha ny fanamarihana azo dia mpiala sasatra avy any an-drenivohitra io niharan-doza. Ny ampitson’iny, izany hoe ny asabotsy tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, vao hita natsingevan’ny rano ny razana na teo aza ny fikarohana isan-karazany izay natao teo an-toerana. Isan’ny nohazavain’ny tompon-tany ny tsy tokony hininanana kisoa izay fady eo amin’ny manodidina ity toeram-pialan-tsasatra izay isan’ny mahasarika ny mpivahiny ity. Nanentana ny olona ny mba hanajàna ny fady raha hilalao ranomasina, indrindra ho an’ireo vahiny. Tsy voalohany no nisy loza an-dranomasina nitranga tao Mahajanga ary nahafaty ireo mpiala sasatra na mpanao « voyage d’études ». Voaresaka matetika ho mety ho anton’ny loza ny tsy fanajàna ny fady. Raha ny fijery ara-tsiantifika indray anefa dia ny fisian’ny lavaka tampoka anaty ranomasina ary miteraka fifampisintoman’ny rano no mitarika ny olona amin’ny filentehana. Azo heverina ny hanasiana mpanara-maso ny sisin-dranomasina izay betsaka olona mba hiarovana ny ain’ny mpiala sasatra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici