- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taksibrosy sy fiara 4X4 nifandona

Antsirabe : Taksibrosy sy fiara 4X4 nifandona

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana hatrany ny lalam-pirenena fahafito. Fiara fitateram-bahoaka Sprinter iray avy aty Antananarivo hihazo an’ Antsirabe no nifanehatra tamin’ny fiara 4×4 marika Hyundai ny zoma teo tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany tolakandro, teo Antsoantany, distrikan’ Antsirabe II. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimaria nanao ny fizahana ny loza dia fisongonana tanaty fiolahana no antony nahatonga ny ny fifandonana. Vehivavy roa efa samy nahazo taona no naratra ary nalefa notsaboina. Tsy nisy kosa ny olona namoy ny ainy, fa ny  fahasimbana teo amin’ny fiara roa no tena goavana. Efa ho isan’andro rahateo ny fisehoan’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena eto amintsika. Vao io zoma io, tamin’ny lalam-pirenena fahafito ihany, saingy efa tany Toliara no nisy fiara mpitatitra olona nivadika ka nahafatesana olona efatra. Ireo fiara mpitatitra matetika no tena mamoa-doza. Efa nanazava moa ny avy amin’ny sampana mpitsirika fiarakodia fa amin’ny ankapobeny, dia vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily no mahatonga loza. Kelikely ny vokatry ny tsy fahatomombanana  mekanika raha mitaha ny amin’ny loza ateraky tsy fitandreman’ny mpamily.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici