- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Voasambotra ihany i Mainty, mpanendaka ikoizana

Ampasampito : Voasambotra ihany i Mainty, mpanendaka ikoizana

Tontakely iray, izay efa nampitondra faisana olona maro, teny amin’iny faritra Ampasampito sy ny manodidina iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo teny an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy moa ingahirainy, niaraka tamin’ny namany iray no tra-tehak’ireo pôlisy manao fanamiana sivily teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe.

Toerana iray, isan’ny mampitaraina maro tokoa raha ireo toeram-piantson’ny fiara mpitatitra eo Ampasampito ireo, na ilay avy aty Meteo na ilay iray eo am-pita. Efa firifiry ireo mpandeha bus no lasibatry ny mpanendaka amin’ireo faritra io, indrindra moa fa amin’ilay fotoana mahabe olona iny, ka manomboka ny ankisisika amin’izay ny taxibe. Izay fitairainan’ny olona maro izay indrindra no nanosika ireo pôlisy misahana iny faritra iny hanao hetsika manokana, hisamborana ireo tontakely, nampikolay ny maro ireo, amin’ny alalan’ny paik’ady manokana. Nahitam-bokany tokoa izany tamin’ny fisamborana an-dry Mainty sy ny tariny ireto. Inoana fa hanaraka azy ireo tsy ho ela ireo namany ary mba hilamina amin’izay iny faritra iny. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy roa lahy ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici