- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rongony : Telo lahy tratra nilanja gony enina feno hipoka

Bizina rongony : Telo lahy tratra nilanja gony enina feno hipoka

Tsy nampoizin’ireto telolahy ireto tokoa ny hifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana. Toy ireny gony feno entana tsotra ireny mantsy no nentin’izy ireo kanefa rehefa natao ny fisavàna dia fantatra fa rongony maina no tao anatiny. Tafaporitsaka moa ny roa lahy fa ny iray ihany no voasambotry ny zandary, tany amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny, ny volohandohan’ny herinandro teo.

Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, dia manao ny fisafoana ireo lalana rehetra izay mety handehan’ireo olon-dratsy ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao amin’ny kaominina Matanga. Teo amin’iny fokontany iray, antsoina hoe Ambodiria, araka izany, dia nisy telolahy nilonjehatra gony maromaro. Vao tazan’ireto farany fotsiny iretsy mpitandro filaminana dia nanao tsoa-pe nandositra izy ireo, namela ny entany teo. Fihetsika mampiahiahy tokoa teo imason’ireo mpanao fisafoana ka noraiketina teo ny fanenjehana ireo mpandositra. Ny iray tamin’izy ireo ihany no voasambotra, raha tsy hita tany nanjavonana iretsy roa lahy hafa namany. Teo ihany koa no nojerena ireto entana narian’izy ireo, izay tsikaritra avy hatrany fa zava-dratsy. Tao anaty gony miisa enina izy ireo, izay milanja eo amin’ny 47 kilao teo ho eo. Marihana, hoy ny fampitam-baovao azo, fa ity farany, izay voasambotra ity no malaza ratsy mpanaparitaka sy mpibizina rongony any amin’iny faritra iny. Izy telo lahy ireto izay samy monina any amin’ny tanàna antsoina hoe Ambalaboka, fokontany Ambatomainty, kaominina Andasibe, distrikan’i Befotaka Atsimo. Raha toa ka tsy tratra teo moa ireto zava-mahadomelina ireto dia efa fantatra ny lalany : miainga any Befotaka Atsimo, mandalo an’iny faritra Atsimo Andrefana iny, ary eo indray no azo heverina fa misy mpandray ary miafara aty an-drenivohitra avy eo. Olona maromaro isan-karazany tokoa no miara-misalahy amin’izany, ary azo inoana fa efa tambajotra mihitsy. Soa ihany fa misy ny fisafoana toy izao, hamingana azy ireo hatrany am-potony. Marihina, hoy hatrany ny zandary any an-toerana, fa mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, fa indrindra ny fikarohana ireo naman’ity mpibizina rongony raindahiny ity. Ireo zava-mahadomelina tratra kosa dia efa nogiazana ary dorana eo anatrehan’ny manam-pahefana amin’ny fotoana mahamety azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici